





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra avy amin'i Aishat (R,D) Niteny ka nanao hoe : Namaky i Mpaminany (S.W.A) ny andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat Hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mutashàbihàt fa'amma Alladhin fÿ Qulubihim Zayghoun Fayattabio'na mà Tashàbah Minho-btigha' Alfitnat wabtigha' ta°wilihi, Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa alllahu, Walrràsikhuna fil i'lm yaqolona àmanna bih qol kollon min i'ndy Rabbina wamà Yadhdhakkar 'illà ôlol al'albàbi } [Al i'mrän: 7] Niteny Izy hoe : Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.W,A) : " Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa
Al-Bukhari and MuslimNamaky i Mpaminany (S.W.A) ilay andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mutashàbihàt fa'amma Alladhin fÿ qulubihim Zayghoun Fayattabio'na mà Tashàbah minho-btigha' Alfitnat wabtigha' ta°wilihi, Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa Alllahu, Walrràsikhuna fil i'lm Yaqolona àmanna bih qol kollon min i'ndy Rabbina wamà Yadhdhakkar 'illà ôlol al'albàbi} [Al i'mrän: 7] amin'ny izany dia nampahafantatra i Tompo Allah fa Izy no nampidina ny Boky masina Koroany tamin'ny Mpaminaniny (S.W.A), ao amin'ireo andian'ireo ny mazava ny izay rehetra voalazany, manana heviny mazava, izay fantatra sy mazava ny fanapahan-keviny, izy ireo no niandohan’ny Boky, ary izy ireo ihany koa no fiverenana amin’ny fotoana izay mety miseho ny tsy fitovian-kevitra. Ary misy ny andininy hafa izay mety manana dikany mihoatra ny iray, izay mampisafotofoto ny hevitr'izy ireo amin'ny Olona sasany, na heverina fa misy fifandirana eo amin'izy ireo sy ny andininy hafa, dia nohazavain' I Tompo Allah ny fifandraisan'ny Olona tamin'ireo andininy ireo. Koa ireo izay manana olana amin’ny fahamarinana ny ao Am-pony, dia miala amin’ny fanapahan-kevitra hentitra Izy, ka maka izay mitovitovy sy azo atao, mikendry ny hampiahiahy sy hamitaka ny Olona dia mitady ny handika izany araka izay mifanaraka amin’ny faniriany. Fa izay miraiki-po amin'ny fahalalana kosa dia mahalala ny marina sy ny heviny ka averiny hazavainy tahaka ireo izay mazava tsara ireny ary hinoany fa avy amin'ny Tompo Allah avokoa izany, ka tsy tokony ho mampisalasala sy hifanohitra. Tsy misy mahatsapa izany afa-tsy ireo izay manana toe-tsaina madio, avy eo Nilaza i Mpaminany (S.W.A) tamin'ny maman'ireo vahoaka Mpino A'ishat (R.D) fa rehefa hitanao ireny Olona izay mpanaraka ny tsy mazava amin'ny sasany ireny, dia nantsoin'ny Tompo Allah hoe : { Fa'amma Alladhin fÿ qulubihim Zayghoun = izany hoe : Izay Olona manana olana amin'ny fahamarinana }. Koa tandremo izy ireo ary aza mihaino azy ireo.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amr (R.a), fa tena marina i Mpaminany (saw) niteny ka nanao hoe : “Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe".
Al-BukhariNandidy atsika i Mpaminany (saw) mba hanampita ireo fahalalana rehetra momba azy avy ao amin'ny Boky masina Koroany na ny Sonnat na dia kely aza izany, na dia hoe aza andininy teny ao amin'ny Boky masina Koroany na ny avy ao amin'ny Hadisy, saingy ny fepetra takiana amin'izany kosa dia ny hoe : aoka mba hanànany fahalalana ny zavatra izay aparitany sy hiantsoany ny Olona. Avy eo niteny i Mpaminany (saw) hoe : Tsy maninona raha mitantara momba ireo Zanak’Isiraely ny zava-nitranga tamin'izy ireo amin’ny fomba tsy mifanohitra amin’ny lalànantsika. Avy eo izy dia nampitandrina ny lainga atao aminy, ary na iza na iza nandainga taminy, dia aoka izy hanamboatra toerana ho an'ny tenany ao amin'ny Afobe.
Tatitra azo avy amin'i Al-Mikdàm ben Ma'diyakrab (R.D) Niteny : fa Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) : " Moave misy Olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga Aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika Ka izay hitantsika fa Halaly dia Ataontsika Halaly, ary izay hitantsika fa Haramo dia Ataontsika Haramo, Satria izay noraran'i Iraka mahafatokin'i Tompo Allah dia toy ny noraran'i Tompo Allah ihany izany ".
Ibn MaajahNilaza sy nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa efa manakaiky tokoa ny fotoana farany misy andian'Olona, ny iray mipetraka ary ny iray matoritory eo am-pandrinany, tonga Aminy ny petra-bolana avy amin'ny Mpaminany (S.W.A) ka hilaza Izy hoe ny mampisaraka atsika amin'ny zavatra iray dia ity Bokin'i Tompo Allah Satria izany dia mahampy Atsika, ka izay hitantsika fa Halayl dia hataontsika, ary izay hitantsika hoe Haramo ao anatiny dia hankalavirintsika. Avy eo nazavain'ny Mpaminany (S.W.A) fa ny zavatra rehetra izay nofadiny na koa norarany amin'ny fomba amam-panaony dia mitovy tantana amin'ny fandrarana izay nataon'i Tompo Allah ao amin'ny Bokiny, Satria izany dia azony avy amin'ny Tompony.
Tatitra azo avy tamin'i Al-Irbadhi Bin Sariya (R.A) niteny : Nitsangana teo aminay ilay Irak'I Allah indray andro, ka nampatsiahy tamin’ny fampatsiahivana izay nampatahotra ny fo, sy nahalatsa-dranomaso. Ka nisy ny niteny taminy manao hoe: ry Irak’I Allah! Toa fampatsiavana maka endrika ho fanomezam-beloma izy izany ka hanaro izahay, dia niteny izy hoe : “Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina, kaikero amin'ny vanginareo (fikiro mafy, aza avela), Ary mitandrema amin'ny zava-baovao noforonina, fa ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.
Abu DawoodNananatra ireo mpanaradiany ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny toriteny mafonja izay nampatahotra ny fo sy nahalatsa-dranomaso ny maso. Hoy izy ireo : “Ry irak’Allah ô, toy ny toriteny fanaovam-beloma izany, satria hitan’izy ireo ny fanamafisana nataony tamin’ny toriteny, ka nangataka izy ireo torohevitra hifikirana ao aoriany, Hoy izy : Manoro hevitra anareo aho mba hatahotra an’ I Allah Ilay Tsitoha, amin’ny fanaovana ny adidy tsy maintsy atao sy ny fialana amin’ny zavatra voarara. Ary ny fihainoana sy ny fankatoavana, izany hoe : amin'ireo mpitondra, na dia andevo aza no mpitondra eo aminareo na manjaka aminareo, izany hoe, ny ambany indrindra amin'ny zavaboary no lasa mpitondra anareo, dia aza miala amin'izany ary mankatoava azy, noho ny tahotra amin'ny fisian'ny korontana (fitna), fa izay hiaina eo aminareo any aoriana dia hahita fifandirana lehibe. Avy eo dia nohazavainy tamin’izy ireo ny làlana hivoahana amin’izany tsy fitovian-kevitra izany, dia amin’ny alàlan’ny fifikirana ny fomba amam-panaony sy ny fomba amam-panaon’ireo mpandimby Azy izay mahitsy sy marina ao aoriany, Abi Bakr Al-Siddiq, Omar bin Al-Khattàb, Othman bin Àffàn, ary Ali bin Abi Tàlib, ho faly amin'izy rehetra anie Allah, ary ny fanaikerana azy amin'ny vangy dia midika ho faran-tampony amin'ny fifikirana ny fomba ama-panaony (sonnat ). Ary nampitandrina azy ireo ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny zava-baovao sy ny forona amin’ny fivavahana, satria ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".
Al-Bukhari and MuslimNilaza mazava tsara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay minia mandainga ny aminy, amin'ny alàlan'ny teny na fihetsika dia hipetraka any amin'ny Afobe izy any ankoatra. Sazy noho ny lainga nataony ny amin'ny Mpaminany (S.A.W).
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe.
MuslimMianiana amin'Allah ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona avy amin'ity vahoaka ity, na Jiosy na kristiana na olon-kafa ankoatra azy ireo, nandre sy tonga taminy fiantsoan'ny Mpaminany (S.A.W) ary maty avy eo nefa tsy nino Azy afa-tsy hoe anisan’ireo vahoakan'ny Afobe hitoetra mandrakizay izy.
Tatitra azo tamin'i Aicha (R.A) sy Abdollah bin A'bbàs (R.A) niteny izy roa manao hoe : Rehefa nanakaiky ny fotoana hialan'ny Irak'Allah teto an-tany, dia nanomboka nanipy ny lamba teo amin'ny tavany Izy, ary rehefa nahatsapa semotra noho izany izy dia navoakany indray ny tavany, ary niteny izy raha mbola tamin'ny poziny io ihany hoe : “Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana” fampitandremana ny amin’izay nataon'izy ireo.
Al-Bukhari and MuslimI Aisha sy Ibn A'bbàs (R.A) manambara atsika fa rehefa nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ny fahafatesana, dia nasiany tapa-damba ny tavany, ary raha toa ka sarotra taminy ny nifoka ny rivotra, noho ny fahakakaizan'ny fahafatesana, dia nesoriny tsy ho eo amin’ny tavany intsony izany, ary tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany izy no niteny hoe : Allah anie hanozona ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanala azy ireo amin’ny famindram-pony. Izany dia noho izy ireo nanorina moske teo ambonin’ny fasan’ireo mpaminaniny, ary raha tsy ny maha zava-doza an'izany zavatra izany, dia tsy ho tamin'ny fotoan-tsarotra tahaka izany no niresahany ny momba azy, noho izany dia nandrara ny vahoakany tsy hanao tahaka izany ny Mpaminany (S.A.W). Satria asa fanaon’ny Jiosy sy ny Kristianina izany, ary zava-dratsy mitarika ho amin’ny fampiombonana Allah amin'ny hafa.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.a), Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : “ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".
AhmadNangataka tamin'ny Tompony i Mpaminany (saw)mba tsy hanao ny fasany ho toy ny sampy ivavahan’ny Olona noho ny fanajana Azy sy ny fandraisana izany amin’ny fiankohofana. َAry nabaran'ny Mpaminany (saw) fa izay nakalavirin'i Tompo Allah sy navokany teo ambany famindram-pony izay Olona nadray ny fasan'ireo Mpaminany ho fivavahana. Satria ny fandraisana azy ireo ho tranom_pivavahana dia antony iray manosika Anao hivavaka Aminy sy hino ary hientehitra amin'izany.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), ka Niteny i Mpaminany (saw) nanao hoe : "Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".
MuslimManambara atsika i Mpaminany (saw) fa i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : Fa Izy dia mahaleo tena ka tsy mila mpiara_miombona Aminy na dia kely aza, Izy dia mahaleo tena amin'ny zava-drehetra, ary raha manao asa fanompoana ny Olombelona iray ka nataony ho an'i Tompo Allah sy ankoatrany ihany koa; dia havelan'i Tompo Allah izany asa izany ary tsy ho raisiny mihitsy ny zavatra nataony, ary averiny any amin'ny tompony ilay asa. Ka tsy maintsy atao am_po madio ho an'ny Tompo Allah ny asa, satria Izy Tompo Allah ilay avo Tsitoha, dia tsy mandray no sady tsy manaiky afa-tsy izay natao ho Azy irery ihany.