





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Notaterin'i An-nawwàs ibn Sam'àn (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) fa hoe: " Nanome ohatra i Tompo Allah amin'ny làlana mahitsy, amin'ny ilan'ny roa misy tamboho, manana varavarana misokatra, ary eo am-baravarana dia misy lambam-baravarana manify, ary eo ambaravaran'ilay làlana dia misy Mpiantso milaza hoe : ry Olombelona, midira ao amin'ny làlana Ianareo rehetra ary aza misalasala, ary misy Mpiantso iray eo ambonin'ny làlana, ka raha tiany, dia hovohany ny varavarana, ka hoy Izy hoe : Lozanareo, aza sokafana, raha hanokatra izany Ianao dia ho tafiditra ao. Ny làlana dia ny finoana Islam, ilay tamboho dia fetra napetran'i Tompo Allah, ary varavarana misoka-tsokatra dia zava-boarara, ilay Mpiantso eo amin'ny làlana dia Bokin'i Tompo Allah, ary ilay Mpiantso eny amboniny dia mpananatra ao am-pon'ny Mpino rehetra ".
At-TirmidhiManazava i Mpaminany (S.W.A) fa Tompo Allah dia nanome ohatra amin'ny làlana mahitsy tsy misy fiolakolahana, amin'ny ilan'ny roa misy tamboho roa izay mandrakotra Azy, io tamboho roa io no fetran'i Tompo Allah, ka manelanelan'ny tamboho ireo dia misy varavarana misokatra, izany dia ireo zava-boarara rehetra. Ary eo am-baravarana misy lambam-baravarana manify, izay tsy hatazanan'ireo Mpandalo ny ao anatiny, ary eo ambaravaran'ilay làlana dia misy Mpiantso manoro azy ireo, milaza hoe : ry Olombelona, midira ao amin'ny làlana Ianareo rehetra, ary aza mivilivily havia na havanana, io Mpiantso io dia Bokin'i Tompo Allah. Ary mbola misy Mpiantso iray hafa eo ambonin'ny làlana; ka io Mpiantso io rehefa misy manana eritreritra hanokatra ny varavarana dia mampitandrina hoe : Lozanao ! Aza sokafana io varavarana io, raha manokatra io Ianao dia hiditra ao ary tsy ho afaka hisakana ny Tenanao tsy hiditra Ianao. Ka ilay Mpiantso eny ambony dia mpananatra ao am-pon'ny Mpino rehetra ".
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.D), fa Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Iray Aminareo ve mitia rehefa miverina any amin'ny ankohonany dia hahazo Rameva lehibe ary matavy ?", Namaly Izahay hoe : Eny, Dia Niteny Izy nanao hoe : " Ny andininy telo izay vakin'iray Aminareo ao anatin'ny fivavahana Soalat dia tsara lavitra mihoatra ny Rameva lehibe sy matavy ".
MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny valisoa azo avy amin'ny famakina ny andininy Telo ao anatin'ny fivavahana Soalat; dia tsara lavitra mihoatra ny fahazoan'Olona Rameva lehibe matavy no sady mitondra vohoka ao an-tranony,
Tatitra azo avy amin'i O'kbata ibn A'mir Al-Johanÿ (R.D) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : “ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny Olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”.
Abu DawoodManazava i Mpaminany (S.W.A) fa ireny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahibemaso ireny dia toy ny Olona manome fanampina fihantrana ankarihary, fa ireny izay Mpanafina ny famakiany ny Boky masina Koroany kosa dia mitovy amin'ny Olona Mpanampy ny Olona amin'ny takotakona sy mangingina.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’I Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.
At-TirmidhiManambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny asa sy ny teny mavesatra indrindra amin'ny mizanan'ny mpino amin'ny andro farany dia ny toetra tsara, izany dia ny fanehoana tarehy tsara, fampitsarahana ny ratsy ary ny fiezahana amin'ny fanaovana asa soa. Halan’I Allah Ilay Tsitoha ny manao ratsy amin'ny asany sy teniny, ary ny fahavetavetana avoakan'ny lelany.
Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny nyMpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo, ka nahatonga azy ireo nandatsa-drà ary nampa-ara-dàlana ny zava-boarara".
MuslimNampitandrina ny amin'ny tsy rariny ny Mpaminany (S.A.W), anisan'izany ny : tsy rariny amin'ny olona, tsy rariny amin'ny tena, ary ny tsy rariny amin'ny zon'I Allah Tsitoha. Izany dia ny fialana amin’ny fanomezana ny tsirairay ny zony, ary ny tsy rariny dia haizina ho an'ny mpanao azy amin'ny andro farany, noho ny fisian’ny fahasahiranana sy ny horohoro, Noraràny ny fahirana, izay fahirana diso tafahoatra miampy fitandrovana fatratra ny harena, ao anatin'izany ny tsy fahazotoana amin'ny fanatanterahana ny zo ara-bola sy ny fiahiahiana fatratra amin'ny fiainana eto an-tany, Io karazana tsy rariny io dia naha rendrika ireo vahoaka teo alohantsika, satria nanery azy ireo hifamono sy hamela izay noraran’Allah.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Saì'd Al-Khodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy hafa, ary ny lehilahy tsy tokony hiray lamba amin’ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mahazo miray lamba amin'ny vehivavy hafa".
MuslimNoraran'ny Mpaminany (S.A.W) tsy hijery ny taovam-pananahan'ny hafa ny lehilahy iray, na ny vehivavy tsy hijery ny taovan'ny vehivavy. Ny henatra : dia izay rehetra mahamenatra ny olona rehefa miseho, ary ny henatra ho an'ny lehilahy dia izay eo anelanelan'ny foitrany sy ny lohaliny. Ny vehivavy dia henatra avokoa ny vatany rehetra ho an'ny olona tsy fady azy ny manambandy azy, ary ny vehivavy manoloana ireo olona fady azy dia afaka mampiseho faritra izay mahazatra ny mahita azy rehefa izy miasa ao an-trano. Ny Mpaminany (S.A.W) dia nandrara ny lehilahy hikambana lamba amin'ny lehilahy hafa na hiara-mirakotra amin'ny lamba iray miboridana, ary ny vehivavy tsy hiray lamba amin'ny vehivavy hafa na hiara-mirakotra amin'ny lamba iray miboridana, Satria izany dia hitarika ho amin’ny fikasihan’ny tsirairay ny taovam-pananahan'ny namany, ka ny fikasihana izany dia voarara, toy ny mijery azy, ary voamaika voarara kokoa; satria mety hiteraka haratsiana lehibe kokoa izany.
Tatitra azo avy tamin'i Salma Ibn Akwaa’ (R.A) : Nisy lehilahy iray niara-nisakafo tamin’ny irak’Allah (S.A.W), tamin’ny tanany havia, dia hoy izy hoe : “Mihinàna amin’ny tànanao ankavanana ianao” Namaly izy : “Tsy vitako” dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy vitanao ve", Tsy misy afa-tsy ny fanambonian-tena no nanakana azy hanao izany, dia hoy izy : Tsy nampiakatra izany tamin’ny vavany intsony izy.
MuslimNahita lehilahy iray nihinana tamin’ny tànany havia ny Mpaminany (S.A.W), ka nasainy nihinana tamin’ny tànany havanana izy, namaly tamim-piavonavonana sy lainga ilay lehilahy fa tsy afaka izy! Koa nangataka Doan ho azy ny Mpaminany (S.A.W) mba tsy hahavita hihinana amin'ny tànana havanana. Dia novalin'i Allah ny hataky ny Mpaminaniny ka lasa nalemy ny tànana havanan'ilay lehilahy, ary tsy afaka nampiakatra ny sakafony sy ny zava-pisotrony tany ambavany taorian'izany.
Tatitra azo avy tamin'i Abou horaira (R.A) niteny : Nisy tambanivohitra iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'I Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.” Hoy ilay rangahy : “Mianiana amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo an-tanany aho, tsy hanampy hafa ankoatr'izany ve aho. Rehefa lasa izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay tia hijery olon'ny Paradisa, dia aoka izy hijery io lehilahy io”. miaraka Aminy, ary manao ny vavaka kotobah, aloavy ny zakat, ary mifady hanina ny Ramadany.” Hoy izy: “Amin’Ilay eo an-tànan’ny fanahiko, tsy hanao mihoatra noho izany aho.” Izany, rehefa nodimandry izy, ny Mpaminany. , Andriamanitra anie hitahy azy sy hanome azy fiadanana, nanao hoe: “Na iza na iza te hijery lehilahy iray ao amin’ny Paradisa, aoka izy hijery an’ity.”
Al-Bukhari and MuslimNisy lehilahy avy any ambanivohitra nanatona ny Mpaminany (S.A.W) mba hanoro azy amin'ny asa izay hampiditra azy any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fidirana ao amin'ny Paradisa sy ny fahafahana amin'ny Afobe dia miankina amin'ny fanatanterahana ny andrin'ny finoana silamo, amin'ny fanompoana an'I Allah irery ihany ary ny tsy fampiombonana Azy amin'ny hafa. Ary fanatanterahana ny soalat dimy napetrak’Allah izay nandidiany ireo mpanompony andro sy alina. Ary mamoaka ny zakat amin'ny vola nodidin'I Allah aminao, ary omena an'izay mendrika azy. Ary mitandrina ny fifehezana amin'ny volana Ramadany. Dia hoy ralehilahy : “Mianiana amin’ny alàlan’Ilay manana ny fofon'aiko eny an-tànany aho, dia tsy hanampy ny fanompoana intsony aho afa-tsy izay reko taminao”. Rehefa lasa izy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Izay manampanirina hijery ny olon'ny Paradisa dia aoka izy hijery ity tambanivohitra ity.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.
Al-Bukhari and MuslimNanome toromarika momba ny fahalalam-pomba amin'ny fifampiarahabana eo amin'ny samy olombelona ny Mpaminany (S.A.W) nilaza manao hoe : “Assalam Alaikom Wa rahmatollahi Wa barakatoh, izay midika hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan'I Allah”. ka ny ankizy miarahaba ny lehibe, ny mitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mandeha miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy anisa miarahaba ny maro.