





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”
Al-Bukhari and MuslimMampahafantatra ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) fa anisan'ireo famantarana lehibe manoloana ny amin'ny fisiany Andro farany dia ny fiposahan'ny Masoandro avy any andrefana fa tsy avy any atsinanana intsony, ary rehefa hitan'ny Olona rehetra izany dia hino avokoa izy ireo. Ka amin'ny izany fotoana izany, dia tsy hahasoa an'ireo rehetra tsy Mpino ny finoan'izy ireo, ary tsy hahasoa azy ireo intsony ihany koa ny asa soa izay nataon'izy ireo na ny fibebahana sy ny fiverenana amin'ny Tompo Allah. Avy eo dia Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny ora farany dia tsy maintsy hiseho sy hitranga ary tsy maintsy ho tonga amin'ny endrika tampoka; ho tonga tokoa izany ary ny Olombelona dia eo ampanaovana ny raharahan'izy ireo sy ny zavatra mahazatra azy ireo andavanandro. Ka ho tonga ny Andro farany, ka ny mpivarotra sy ny mpividy dia samy efa namelatra ny lamban'izy roa avokoa, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray efa naka ny ronon'ny ramevany nefa tsy tafisotro izany akory, Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy dia eo ampanamboarana ny tavin-dranony ka tsy tafisotro izany akory. Ary ho tonga ny Andro farany ary ny lehilahy iray mampiakatra ny sakafony any am-bavany hihinana izany nefa tsy tafihoaniny indray akory ilay sakafo.
Tatitra azo avy amin'i Abou Said Al-Khoudriou (R.D) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana dia hiantso ny mpiantso ny amin'ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, dia hoy Izy hoe : fantatrareo va ity ? Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, Satria ny rehetra dia efa nahita an'izany. Avy eo dia misy miantso hoe : Ry vahoakan'ny Afobe, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, ary niteny hoe : fantatrareo va ity ?, Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, ary ny rehetra dia efa nahita an'izany avokoa. Avy eo dia hovonoina Izy dia holazaina ny hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay Ianareo ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy misy intsony ny fahafatesana. Avy eo Izy namaky ny andininy Soratra masina hoe : { Ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoka rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia varina } [Mariam 39], izy ireo dia varina teto an-tany { ary izy ireo dia tsy Mino } [Mariam 39]".
Al-Bukhari and MuslimNohazavain'ny Mpaminany (S.W.A) fa amin'ny Andro farany dia aseho amin'ny endrika ondry lahy, misy loko fotsy sy mainty ny fahafatesana. Hiantso Izy ka hanao hoe : Ry Olon’ny Paradisa! Manatsotra ny hatony sy ary manandratra ny lohany ka mijery. Ka ho tenenina amin'izy ireo ny hoe : fantatrareo ve ity ? Hamaly izy ireo : Eny, ity dia fahafatesana ary ny rehetra dia efa nahita izany ary efa nahafatatra ihany koa, Avy eo hiantso ny mpiantso ka hanao hoe : O Ry vahakoan'ny Afobe, ka hajorin'izy ireo ny tendany sy ny hatokin'izy ireo ary hampiakarin'izy ireo ny lohany ary mijery, Ka ho tenenina amin'izy ireo ny hoe : fantatrareo ve ity ? Hamaly izy ireo ka hiteny hoe : Eny, ity dia fahafatesana ary ny rehetra dia efa nahita izany sy efa nahafatatra an'izany, Ka ho vonoina, avy eo dia hiteny ilay mpiantso ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay ka tsy hisy fahafatesana intsony ny Amianareo, O Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy hisy fahafatesana intsony hianjady Aminareo, Izany dia mba hampitombo ny fahasambaran’ny Mpino sy hanamafy ny fijalian’ireo izay tsy mino. Avy eo dia Namaiky i Mpaminany (S.W.A) andin'ny Soratra masina hoe : {Ary ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoko rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia mbola varina ihany ary anefa izy ireo dia tsy mino} Amin’ny Andro farany dia hisaraka ny mponin’ny Paradisa sy ny Helo, ary samy hiditra amin’izay toerana mendrika azy avokoa ny rehetra ary hitoetra mandrakizay amin'ny toerana iza halehany ao Aminy ny tsirairay. Ny Mpanao ratsy dia maty antoka sy manenina raha mbola tsy manao ny asa soa, ary ny mpanao tsirambina raha tsy nanao soa maro mihoatra noho izany ihany koa.
Tatitra azo avy amin'i Abou Horairah (R.D) Niteny ka nanao hoe : Teo aloha namaky ny Boky Torah tamin’ny teny Hebreo ny Olon’ny Boky ary nanazava izany tamin’ny vahoakan’ny Islamo tamin’ny teny Arabo, hoy ny Irakan’i Tompo Allah hoe : “ Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay } [Al-bakarat 136] Andininy".
Al-BukhariNampitandrina ireo vahoakany i Mpaminany (S.W.A), mba tsy ho voafitakin'ny zavatra lazain'ireo Olon'ny Boky ao amin'ny Bokin'izy ireo, Satria tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.W.A) dia namaky ny Boky Torah tamin'ny teny Hebreo ireo vahoakan'ny Djiosy. Satria Fitenin’ny Djiosy izy io, ary adikan'izy ireo amin’ny teny Arabo. Dia Niteny i Mpaminany (S.W.A): Aza mino ny Olon'ny Boky ary aza mampandaingana azy ireo, Satria efa tsy fantatra ny marina sy ny diso amin'izay voaray avy amin'izy ireo, Izany dia Satria i Tompo Allah no nibaiko Isika rehetra mba hino ireo zavatra nampidininy ao amin'ny Boky masina Koroany sy izay nampidininy ao Bokin'izy ireo, saingy Isika no tsy mahalala ny marina izay tantarainy izy ireo mahakasika an'io Boky io amin'ny diso ao Aminy raha toa ka tsy misy fanambarana ato amin'ny lalànantsika izay manazava ny marina amin'ny lainga. Koa mijanona isika fa tsy hino azy ireo; mba tsy hiombonantsika amin’izy ireo amin’izay rehetra efa novain'izy ireo, ary tsy handà azy ireo ihany koa; sao dia marina ihany izay voalazan'izy ireo ka lasa handà ankitsirano an'izay nandidiana antsika amin'izay tokony hinoantsika isika. Ary nandidy Atsika i Mpaminany (S.W.A) mba Hiteny hoe : { Mino an'i Tompo Allah, sy izay nampidinina Taminay, ary izay nampidinina tamin'i Mpaminany Abrahama, Ismaela, Ishaka, Jakoba sy ireo taranak' izy ireo rehetra. Torak'izany ihany koa izay nomena an'i Mpaminany Mosesy sy Jesoa ary izay nomena ireo Irakan'i Tompo Allah avy tamin'ny Tompo Zanahariny. Tsy manavaka na dia ny iray amin'izy ireny aza Izahay. Ary Izahay dia mpanolotena ho Azy } [ Al-bakarat: 136 ].
Tatitra azo avy tamin'i Ibn A'bbas (R.D), Niteny hoe : Tsy fantatry ny Mpaminany (S.W.A) ny fisaran'ny toko (Sourat) ao amin'ny Boky masina Koroany teo aloha raha tsy efa nidina ny teny hoe Bismillahir-rahmànir-rahim (Amin'ny Anaran'i Allah ilay be fiantrana sy be famindram-po).
Abu DawoodManazava i Ibn A'bbas (R.D) fa ny toko ao amin'ny Boky masina Koroany izay midina tamin'ny Mpaminany (S.W.A) dia tsy fantany ny fisarahan'izy ireo na ny fiafaran'izy ireo raha tsy efa midina ny : " Bismillahir-rahmànir-rahim ". Eo vao fantany fa efa tapitra ny Toko teo aloha, ary io no fiandohan’ny Toko vaovao.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka manao hoe : “ Holazaina amin’izay Mpamaky ny Boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena Anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay Vakinao ”.
Abu DawoodNilaza sy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa holazaina amin'ny Mpamaky ny Boky masina Koroany, sy ny Mpampihatra izay rehetra voalaza ao anatiny, ny tsy hitsaharany eo amin'ny famakina ny Boky masina Koroany sy fanaovana tsianjery Azy rehefa miditra ny Paradisa : Vakio ny Boky masina Koroany, ary miakara amin'ny ambaratonga ao amin'ny Paradisa Ianao, ary Vakio miadana tsara am-pitoniana, fa ny toerana hametrahana Anao dia eo amin'ny toerana farany izay Vakinao ao amin'ny Boky masina Koroany.
Tatitra azo avy tamin'i Abi Abdor-Rahmàny As-Solamÿ (R.D) Niteny hoe : Nanambara Anay ireo izay nampianatra Anay mamaky ny Boky masina Koroany tamin'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) fa izy ireo dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan' i Tompo Allah (S.W.A), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha, ka Nilaza izy ireo hoe : Azonay ny fahalalana ary nataonay ny asa.
AhmadIreo mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W,A) dia nandray andininy folo ao anatin'ny Boky masina Koroany avy amin'ny Mpaminany (S.W.A), ary tsy mifindra amin'ny andininy hafa raha tsy efa nahay sy nampihatra tsara ireo andininy folo azony izy ireo, ka nahalala izy ireo no sady nampihatra izany rehetra izany avy hatrany.
Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.D), Niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) fa hoe : " O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy tena lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'I Tompo Allah ? " Namaly Izy ka nanao hoe : Niteny Aho : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no Mahalala an'izany. Niteny Izy hoe :" O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : { Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou } [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir ".
MuslimNanontanian'ny Mpaminany (S.W.A) i Obay ibn Ka'b momba ny andininy ao anatin'ny Bokin'i Tompo Allah, dia nisalasala Izy tamin'ny valiny, avy eo Izy dia Niteny hoe : Ayat Al-Korsy : { Alloahou Là ilàha illà Howale hayuole Qayuòmo }, nanampy Azy i Mpaminany (S.W.A) ary nidomin'ny Mpaminany (S.W.A) tamin'ny Tratrany ho fampahafantarana fa feno fahalalana sy ny fahendrena ny Tratrany, ary nangataka Douan ho Azy mba ho sambatra amin'ny alàlan'ny fahalalana io ary hanamaivana Aminy avokoa izany.
Tatitra avy amin'i Aishat (R.D) manao hoe : Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy } avy eo dia safoIny izay rehetra tratran'izany amin'ny Vatany, atombony avy eo amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.
Al-BukhariIsan'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.W.A) rehefa miakatra eo am-pandriana hatory amin'ny alina Izy dia manambatra ny Tànany roa - toy ny mangataka Douan ireny - ary mitsoka moramora amin'ny felatànany roa ka misy piti-drora kely ary mamaky { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil Falaq } ary { Qol ao'zhuo birabbin-Nàsy} avy eo safoiny izay rehetra tratrany amin'ny Vatany, atombony amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.
Tatitra azo avy tamin'i Abdi bin Hatim (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Nianjeran'ny fahatezerana ny Jiosy, ary very làlana ny Kristianina.”
At-TirmidhiNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny Jiosy dia vahoaka izay nahatezitra an'Allah; Satria nahafantatra ny fahamarinana izy ireo nefa tsy nanao izany. Vahoaka very làlana ny Kristianina. Satria nanao zavatra tsy amin'ny fahalalana.