





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Abou zarri (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.
MuslimNanazava i Mpaminany (S.W.A) fa Allah ilay avo Tsitoha dia niteny fa nandrara ny tsy rariny tamin'ny tenany Izy, ary nataony voarara ihany koa ny tsy rariny teo amin'ny zavaboariny, ka aoka tsy hisy hanao ny ratsy amin'ny hafa. Ary ny zavaboary rehetra dia niala amin'ny làlan'ny fahamarinana raha tsy izay nahitsin'Allah sy namaivaniny, ary izay mangataka izany amin'Allah dia omeny sy amaivaniny. Ary ny zavaboary dia mahantra eo anatrehany ary mila sy Azy amin’izay rehetra itadiaviny eo amin'ny fiainany, ary na iza na iza mangataka amin’Allah ny mba hanatanterahany izay rehetra ilainy dia ampy ho Azy Allah. Manota andro aman’alina izy ireo, ary Allah ilay avo Tsitoha no manarona sy mamela raha mangataka famelan-keloka Aminy ny mpanompo ny amin'izany ota izany. Ary tsy afaka manisy ratsy an’Allah na hanasoa Azy amin’ny zavatra rehetra izy ireo. Ary raha teo amin'ny fon’ny Olona iray manam-patahorana izy ireo, dia tsy hampitombo ny fahamasiana ao amin’ny fanjakan’Allah ny fatahoran' izy ireo. Raha naloto fitondran-tena tahaka ny fon’ny Olona iray izy ireo, dia tsy hanaisotra ny fahefany na dia kely ny fahalotoam-pitondrantenan'izy ireo. Satria malemy eo anatrehan’Allah izy ireo, mila Azy amin’ny toe-javatra rehetra, amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra, ary Izy no Mpankarena, ka ny Voninahitra sy dera ho Azy. Ary raha mijoro amin'ny toerana iray izy ireo, Olombelona sy ny Djinny amin'izy ireo, ny voalohany sy ny farany amin'izy ireo, nangataka tamin'Allah ka nanome izay nangatahiny ny tsirairy. Tsy nampihena ny harenan'Allah na dia kely aza, toy ny fanjaitra ampidirina ao anaty ranomasina dia avoaka avy eo, ka tsy hampihena ranomasina izany, ary izany dia noho ny fahafenoan’ny hareny, Voninahitra manokana anie ho Azy. Ary Allah dia mitahiry ireo asan'ny mpanompony ary manisa izany ho azy ireo, dia hamaly izany amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty. Koa izay mahazo valisoa tsara amin'ny asany dia aoka hisaotra an'Allah noho ny fahombiazana sy ny fankatoavana Azy, ary izay mahazo valin-kasa ratsy, dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany izay nitarika Azy ho amin'ny fatiantoka.
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny : Tao aorian'ny Mpaminany (S.W.A) aho indray andro dia niteny izy manao hoe : " O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra hanasoa anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra izay efa nosoratan'Allah ho azonao; ary raha hitambatra izy ireo mba hanisy ratsy anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanao ratsy anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra efa nosoratan'Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka ".
At-TirmidhiI Ibn A'bbàs (R.A) dia mitantara fa tamin'ny izy mbola kely nitaingina niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy izy taminy hoe : Hampianatra anao ireo zavatra izay hanasoavan'Allah anao aho : Arovy Allah amin’ny fitandremana ireo didiny sy ny fisitahana an'ireo fandrarany, mba hahitany anao ao anatin’ny fankatoavana Azy sy ny fanakaikazana Azy, ary tsy ho hitany mihitsy ao anatin’ny tsy fankatoavana sy ny fahotana. Ary raha hanao izany rehetra izany ianao dia ny valisoa omeny anao ny fiarovany anao amin'ny haratsiana eto an-tany sy ny any an-koatra, ary omeny fandresena amin'ny asa ataonao na aiza na aiza ny toerana halehanao. Raha tia hangataka zavatra ianao dia aza mangataka afa-tsy amin’Allah irery ihany, satria Izy irery no mamaly ireo mpangataka. Ary raha mila fanampiana ianao dia mitadiava fanampiana amin’Allah. Ary aoka ho hanana toky feno ianao fa tsy hisy fahasoavana ho tonga aminao, na dia mifarimbona ny hanasoa anao ny olona rehetra ambonin'ny tany, dia tsy hisy zavatra azonao afa-tsy izay efa nosoratan'Allah ho anao, ary tsy hisy loza hanjo anao, na dia nitambatra hanimba anao aza ny olona rehetra ambonin'ny tany, afa-tsy izay efa nosoratan'Allah hahavoa anao. Io raharaha io dia nosoratan’Allah ilay avo Tsitoha ary nalahatrany mifanaraka amin'ny fahendreny sy ny fahalalany, ary tsy misy fanovana amin'izay efa vosaoratr'Allah.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".
Al-BukhariMilaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vahoakany rehetra dia hiditra ao amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay tsy manaiky! Hoy ireo mpanaradia azy : Iza no tsy hanaiky, ry Irak'Allah? Namaly azy (Saw): “Izay manaiky sy manaraka ary mankato ny irak’Allah dia ho any amin’ny Paradisa, fa izay tsy mankatò sy tsy manaiky ny lalàna. hosakanana tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy noho ny asa ratsiny.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Nanontany ny Mpaminany (SAW) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao.” Hoy aho : “Lehibe tokoa izany.” Hoy aho hoe : Inona aorian'izany? Hoy izy : “Ny hamonoanao ny zanakao; noho ny fatahoranao sao hiara-mihinana aminao izy.” Hoy aho : Dia inona aorain'izany? Hoy izy : “Ny fijangajangana amin’ny vadin’ny namanao.”
Al-Bukhari and MuslimNanontaniana momba ny fahotana lehibe indrindra ny Mpaminany (S.A.W) dia namaly hoe : Ny lehibe indrindra amin’izy ireo dia ny fanompoan-tsampy, dia ny fanaovana an’I Allah ho mitovy tantana amin'ny hafa eo amin’ny maha-Zanahary Azy, na ny maha-tompo Azy, na amin'ny Anarany sy ny Toetoetrany. Tsy avelan’Allah izany fahotana izany raha tsy amin’ny alàlan’ny fibebahana, ary raha maty amin'izany ny mpanao azy dia hitoetra mandrakizay anaty Afobe. Avy eo ny olona mamono ny zanany noho ny tahotra sao hiara-mihinana aminy, ary voarara ny mamono olona, ary voamaika ngeza ny fahotana raha havan'ilay mpamono ilay maty, ary mihalehibe kokoa tahak'izany ny fahotany raha noho ny fatahoran'ilay mpamono fa handray anjara amin’ny fahasoavana nomen’I Allah azy ilay novonoiny. Avy eo dia ny fijangajangana nataon'ny lehilahy iray amin’ny vadin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin’ny alàlan'ny fiezahana hamitaka ny vadin’ny mpifanolo-bodiridrina aminy mba hanaparany ny filan-dratsiny, ka hanaiky azy. Voarara ny fijangajangana, saingy lehibe kokoa ny fahotany raha vadin'ny mpifanolo-bodirindrina, izay nodidin'ny lalàna silamika ny fanaovan-tsoa sy fanehoana hatsaram-panahy ary ny fiarahana tsara aminy.
Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillahi (R.A) niteny hoe : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nijery ny volana Izy indray alina - volana fenomanana - ka nilaza hoe : “ Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy, ary raha azonareo atao ny tsy manao antsirambina ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany, dia ataovy izany.” Ary namaky izy ny andininy : “{Ary mankalazà ny fiderana ny Tomponareo alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehan’ny masoandro}»-
Al-Bukhari and MuslimNiaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanaradiany, indray alina ka nijery ny volana - ny alin'ny fahefatra ambin'ny folo - ary niteny manao hoe : Ny mpino dia hahita ny Tompony amin’ny maso mivantana tsy misy fisalasalana, ary tsy hifanjevo izy ireo ary tsy hahatsapa harerahana na fahasahiranana rehefa mahita Azy. Avy eo niteny Ilay Irak'I Allah (S.A.W) hoe : Raha vitanareo ny manapaka ireo antony mampivily ny sainao amin'ny fanaovana ny swalat maraina sy ny tolakandro, dia ataovy izany ary tanteraho amin'ny fotoana mahamety azy ao anaty vondrona (jammah), fa izany no iray amin'ireo antony hijerena ny tareh'ny tompo Allah Ilay Tsitoha. Avy eo namaky ilay andininy masina ny Mpaminany (S.A.W) : {ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan'ny fiposahan'ny masoandro sy alohan'ny filentehany}.
Tatitra azo avy tamin'i Abou moussa (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"
Al-Bukhari and MuslimMampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitohizan’ny fanaovana ny tsy rariny amin’ny alàlan’ny fahotana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fanambakana ny olona amin’ny zon’izy ireo. Tompo Allah ilay Tsitoha dia manome fotoana ho an’ny mpanao ratsy, mampitarazoka azy, ary manalava ny androm-piainany sy ny fananany, ka tsy manafaingana ny famaizana azy. Raha tsy mibebaka ialy mpanao ny tsy rariny, dia hosazin'i Allah ary tsy havelany intsony noho ny tsy rariny nataony. Avy eo izy miteny hoe : (Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny) [hòd :102]".
Tatitra azo avy amin'i Abou Al-Hayadj Al-Assadiou niteny : Hoy i Ali bin Abi Talib tamiko : Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana.
MuslimI Mpaminany (S.W.A) dia naniraka ny mpiara-dia aminy tsy hamela "sarivongana" - izany sarin'ny zavatra misy fanahy ara-nofo na tsy ara-nofo - raha tsy hoe esoriny na potehiny izany. Ary tsy tokony hamela fasana avo izy ireo, raha tsy hoe ampitoviziny amin’ny tany izany ka ravany izay trano eo amboniny, na hatao fisaka mba tsy hampiakatra azy ho ambony dia ambony amin’ny tany, fa ampikarina ho avo kely amin'ny tany.
Tatitra azo avy tamin'i Houssain (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy, ary izay nanao fatotra ary nandeha amin'ny mpamantatra ny hoavy ka mino izay lazainy, dia efa nikomy ny zavatra nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W)".
Al-BazzaarNampitandrina ireo vahoakany mpanao zavatra hafahafa i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny teniny manao hoe : "Tsy anisany miaraka aminay", Ireto avy izany : Ny voalohany : “Izay nisikidy na izay nampanao sikidy ho azy.” Ny fiaviany dia ny hoe : Mamoaka ny vorona rehefa manao hetsika toy ny dia na varotra, na zavatra hafa. Ka raha manidina miankavanana ilay vorona dia mandeha manao ny diany sy izay tiany izy, ary raha manidina miankavia izany dia kivy ka mijanona tsy manao izany. Tsy azony atao izany na koa maniraka olona hanao izany.Ary tafiditra ao anatin’izany ny finoam-poana momba ny zavatra rehetra, toy ny finoan-dratsy amin'ny zavatra heno sy hita, amin'ireo vorona na biby na ireny mampino fahatany na ireny mampiasa isa na andro na ankoatr'izany. Ny faharoa : “Izay maminany, na manontany faminaniana ho azy.” Ary izay milaza fa mahalala ny tsy hita maso amin’ny alàlan’ny fampiasana ny kintana sy ny zavatra hafa, na manatona ireo milaza fa mahalala ny tsy hita maso, toy ny mpisikidy sy ny toy izany, ka mino izay lazainy tamin’ny filazany fa mahalala ny miafina dia efa nikomy izay nampidinina tamin’i Mouhammad (S.A.W). Ny fahatelo: “Manao ody na mampiasa ody ho azy” : Izay manao ody ny tenany, na maniraka olona hanao ody ho azy; mba hahazoany tombony na hanimba ny fiainanolona amin'izany, na mamatotra fatotra amin'ny kofehy ary manao ody amin'ny alàlan'ny famakina ireo fiarovan-tena voarara sy ny fitsofana azy.
Tatitra azo avy tamin'ireo vadin'ny mpaminany (S.A.W), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina”.
MuslimMampitandrina i Mpaminany (S.AW) amin'ny fandehanana any amin'ny mpisikidy - izy io dia anarana ankapoben'ny mpisikidy, mpanandro, mpimasy, sy ny toy izany, izay milaza ny fahalalana ny tsy hita maso amin'ny alàlan'ny zavatra ampiasainy -, ary na dia ny fanontaniany fotsiny momba ny zavatra tsy hita dia hahatonga an'Allah hanaisotra azy amin'ny valisoan'ny vavaka nataony nandritra ny efapolo andro. Izany no saziny vokatr'io fahotana lehibe io.