





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ody."
Ibn MaajahManazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay mianatra sy maka fahalalan'ny kintana sy ny antokon-kintana ary fanaaporofona ny fihetsiny, ny fidirana sy ny fivoahana amin'ny zava-mitranga eto an-tany, toy ny fahafatesan'olona sy ny fahavelomany na ny aretiny, sy ny zavatra hafa mety hitranga amin’ny hoavy, dia nianatra ampahany tamin’ny fanaovana ody, ary arakaraka ny ahazoan’ny olona izany fahalalana no hidirany lalina amin'ny filalaovana ody.
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana ary ny fananana ny henatra dia anisan'ny finoana".
Al-Bukhari and MuslimMampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia misy sampana sy fizarana maro, ka tafiditra ao ny asa sy ny foto-pinoana ary ny teny. Ary ny avo sy tsara indrindra amin'izany dia ny fitenenana : "Là ilàha illal-làhou", mahalala tsara ny dikany, manatanteraka ireo asa takiany, izany hoe : izy Allah no tompo tokana mendrika ho tompoina ary tsy misy ny ankoatrany. Ny ambany indrindra amin'ny asan'ny finoana dia ny manala izay rehetra mety manimba sy mandratra ny olona amin'ny làlany. Avy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahaizana menatra dia anisany amin'ny finoana, ary izany dia toetra mitarika amin'ny fanaovan-tsoa sy ny famelana ny ratsy.
Tatitra azo avy amin'i Bachir Al-Answariou (R.A) : Izy dia niaraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) tamin'ny diany, dia niteny Izy ka manao hoe : Naniraka Olona iray i Mpaminany (S.A.W) - ary Olona rehetra ao an-tranony izy ireo : " Tsy hamela tady na rojo eo amin’ny vozon’ny rameva raha tsy tapaka."
Al-Bukhari and MuslimRehefa nandeha voyage i Mpaminany (S.W.A) indray andro, ary ny olona rehetra tao amin'ny toerana fatorian'izy ireo, dia naniraka olona iray izy hanapaka ireny firavaka atao amin'ny rameva ireny toy ny tady sy ny lakolosy na kapa, ary izany dia fanaony izy ireo hiarovana amin'ny maso, ka nandidy izy hanapaka izany, satria miaro azy ireo, ary marina tokoa fa ny fahasoavana sy ny loza dia eo am-pelatanan'ny Tompo Allah irery ihany tsy misy mpikambana Aminy.
Tatitra azo avy amin'i Twariq Ibn Ashyam (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa tompoina ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana Azy dia any amin'ny Tompo Allah.
MuslimMampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay rehetra mijoro vavolom-belona amin'ny lelany hoe : " Là ilàha illal-làhou" izay midika hoe : Tsy misy mendrika ho tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary tena mikomy tanteraka ireo rehetra tompoina hafa ankoatr'i Allah, ary manalavitra ny finoana rehetra ankoatran'ny finoana Islam, dia voaharo ny harenany sy ny ràny amin'ireo vahoaka mpino silamo rehetra, isika dia tsy afaka mitsara afa-tsy izay hita aty ivelany amin'ny asa ataony, ka tsy afaka sintonina ny harenany ary tsy alatsaka ny ràny, Raha tsy hoe nanao heloka bevava izay mitaky fanamelohana azy araka ny fepetran'ny finoana silamo. afa-tsy rehefa manatanteraka ireo habibina na hadalana izay mitaky fampiharana lalàna eo Aminy amin'ireo lalànan'ny finoana Islam. Ary i Tompo Allah no mandray an-tànana ny fitsarana momba azy amin'ny Andro farany, raha marina izy dia ho valiany soa, fa raha mpihatsaravelatsihy kosa izy dia ho saziny amin'izany.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.
At-TirmidhiManazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo izay miantra ny hafa dia hamindra fo aminy ilay Be indrafo, amin'ny alalan'ny famindram-pony izay mandrakotra ny zava-drehetra, valisoa mifanaraka. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nandidy ny amin'ny famindram-po ho an'ny zavatra rehetra eto an-tany, na olona, na biby, na vorona, na karazana zavaboary hafa, ary ny valisoa amin'izany dia Allah avy any ambony any an-danitra hamindra fo aminao.
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.W.A) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato".
Al-BukhariNanontaniana i Mpaminany (S.W.A) mahakasika ireny olona milaza fa mahalala ny zava-miafina hiseho amin'ny ho avy, dia namaly izy hoe : Aza variana amin'izy ireny ianareo, Ary aza raisina ny tenin'izy ireny, ary aza miasa loha momba azy ireny. Niteny ireo mpanontany manao hoe : ny tenin'izy ireny indraindray dia mifanaraka amin'ny zava-miseho, toy ny filazan'izy ireo fa hisy zavatra hitranga amin'ny volana izao sy andro izao dia tena mitranga tokoa araka ny voalazany. Namaly nilaza i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : Mandre ny vaovao avy any an-danitra ny jiny, dia midina manambara izany any amin’ny mpimasy namany, avy eo ilay mpimasy indray no nanampy lainga zato tamin’izay reny tany an-danitra.
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) : Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe: "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Muaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.
Al-Bukhari and MuslimIndray Andro i Muaz bin Jabal (R.A) no nitaingina ny bibiny tao aorian'ny Mpaminany (R.A), ary niantso azy izy i Mpaminany hoe: Ry Muaz? Naveriny intelo ny antsony, ho fanamafisana ny maha zava-dehibe izay holazainy aminy. Ary izany rehetra izany novalin'i Moa'zh (R.A) amin'ny teniny manao hoe : " Eny ry Irak'i Allah, Mihaino anao aho" izany hoe : hamaly antsonao Aho ry Iraki Allah hamaly antso isaky ny miantso, ary mitady fahasambarana amin'ny famalina ny antso. Nilaza taminy Mpaminanyi (S.W.A) fa izay mijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah, izany hoe : Tsy misy Tompo mendrika hotompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary i Mohammad (S.W.A) dia Irak'Allah, marina ao am-pony tsy misy lainga, ka raha maty amin'izany teny izany izy dia ataon'i Allah fady aminy ny Afobe. Ka nanontany azy i Moa'zh (R.A) i Mpaminany (S.W.A) mba hanambara izany amin'ny olona rehetra mba hahafaly azy ireo? Natahotra i Mpaminany (S.W.A) sao dia hananki-doha amin'izany, ka lasa hampihena ny asa ataon'izy ireo. Ka tsy niresahan'i Moa'zh izany raha tsy fotoana kely talohan'ny nahafatesany; fatahorany amin'ny fanafenana ny fahalalana.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".
Al-Bukhari and MuslimNanazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Allah ilay Avo Tsitoha dia midina amin'ny lanitra voalohany isan'alina rehefa tonga ny ampaha-telo farany amin'ny alina iny, ka mamporisika ny mpanompony rehetra mba hangataka Aminy satria hamaly an'izay mangataka Aminy Izy, ary mamporisika azy ireo hangataka Aminy izay rehetra tiany fa Izy dia hanome an'izay rehetra mangataka aminy. Mamporisika azy ireo Izy mba hangataka famelan-keloka Aminy, satria mamela ny mpanompony mahatoky Izy.
Tatitra azo avy amin'i Abou Mourtad Al-Ghanawiou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : " Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy ".
MuslimNandrara i Mpaminany (S.W.A) ny fipetrahana eo ambonin'ny fasana. Dia mbola nandrara ihany koa ny fanaovana Soalat eo amin'ny fasana, tahak'izany ny fanaovana ny fasana any amin'ny Quiblat fanaovana Swalat, satria izany dia làlana mitarika amin'ny fanompoan-tsampy.