Hedayat “A fruitful harvest”
from the gardens of “ Verses and Hadiths ”
Inspiring Dawah cards that highlight the profound meanings of Quranic verses and Prophetic Hadiths. Presented in an accessible and engaging style to help Muslims gain a deeper understanding of their faith with ease.
About Hedayat
Hedayat is a platform that combines simplicity of design and ease of use
displaying the benefits derived from Verses and Hadiths in
attractive cards with unique designs.
Unique Designs
Cards with unique and attractive designs that express the content of the text
Reliable Materials
Scientifically reliable benefits reviewed by a group of scholars
Easy Browsing
You can browse the cards easily and display them effortlessly
Different Languages
Cards are available in more than 40 languages for the benefit of all
Hadith Cards
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny : Ny Mpaminany dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetitra milaza izy hoe : "Fa ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."
Al-Bukhari and MuslimTsy tao anatin’ny fitondran-tenan’ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny ratsy na manao asa ratsy, ary tsy niniany na ninia nanao izany izy, satria izy Mpaminany (S.A.W) dia nanana fitondran-tena avo. Ary izy Mpaminany (S.W.A) dia niteny hoe: Ny tsara indrindra aminareo eo anatrehan'Andriamanitra dia izay manana toetra tsara indrindra, amin'ny fanaovan-tsoa, ny famiratan'ny tarehy, ny fifadiana amin'ny fanaovana ratsy sy ny fandeferana amin'izany, ary fifangaroana amin'ny olona amin'ny hatsaram-panahy.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bakrata (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’I Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.
Al-Bukhari and MuslimNolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo mpiara-diany ny fahotana lehibe indrindra, ka nilaza ireto telo ireto izy : 1. Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa: izany dia ny fandefasana n'inona n'inona amin'ireo fanompoana ho an'ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny hafa eo amin’ny maha-Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ny ireo Anarany sy ny Toetoetrany. 2. Ny tsy fanajana Ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny Ray aman-dreny, na amin’ny teny na amin’ny fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy. 3. Fitenenana lainga, anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona tsy marina : Izany dia ny teny sandoka sy lainga rehetra natao hanambaniana an’izay iharan’izany amin’ny fakana ny volany, ny fanitsakitsahana ny voninahiny, sy ny rehetra mitovy amin'izany. Namerimberina ny fampitandremana amin'ny fitenenan-dratsy ny Mpaminany (S.A.W) mba ho fanairana ny amin'ny faharatsiana sy ny voka-dratsy aterany eo amin'ny fiaraha-monina, ka nahatonga an'ireo mpanara-diany niteny hoe : Enga anie izy mba hangina, ho fangorahana azy sy fankahalana izay manelingelina azy.
Tatitra azo avy amin'i ibn A'bbas (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nampidinina tamin'ny ilay Irakan' i Tompo Allah ny faminaniana fony izy mbola Efa-polo Taona, nitoetra tao Lameka (Makka) nandritra ny Telo ambin'ny folo taona, avy eo dia nasaina nifindra monina, ka nifindra monina nakany tany Madina, ary nitoetra tao nandritry ny folo Taona, avy eo dia maty Izy (S.W.A).
Al-Bukhari and MuslimMilaza sy mampahafantatra i ibn A'bbas (R.D) : fa Nampidinina tamin'ny Irakan' i Tompo Allah ny faminanina rehefa Izy feno Efa-polo Taona, ary monina tao Lameka nandritra ny Telo ambin’ny folo Taona taorian’ny faminaniana, avy eo dia nasaina nifindra monina tany Madina Izy ary nitoetra tao nandritra ny folo Taona, ary avy eo dia maty Izy rehefa feno Telo amby Enimpolo Taona.
Tatitra azo avy tamin'i No'màny Ibno Bashìro (R.A) nilaza hoe : Reniko fa i Mpaminany (S.W.A) milaza - Natsangan'i No'màn teo amin'ny Sofiny ny Rantsantanany Roa. " Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Al-Bukhari and MuslimManazava ny Fitsipika amin'ny fomba Ankapobeny momba ny Zavatra rehetra i Mpaminany (S.W.A), ary mizara telo ny ao amin'ny Làlana dia : Zavatra Azo atao mazava tsara, Zavatra Voarara mazava tsara, ary ireo Mampametra-panontaniana izay tsy mazava ny lalàna mamehy azy hoe azo atao sa voarara, Ka maro amin'ny olona ny tsy mahalala ny momba izany. Ka izay miala amin’ireo Zavatra ahiahiana momba Azy, dia ho Voaro ny Finoany ka tsy tafalatsaka any amin’ny Zava-boarara, ary ny voninahiny dia ho Voaro amin’ny tenin’ny Olona momba ny fanakianana azy noho ny nanaovany izany zavatra mampiahiahy izany. Ary izay tsy miala amin'ny zavatra mampisalasala dia mandatsaka ny tenany any amin'ny zava-boarara, na amin'ny fanimbana ny voninahiny amin'ny fitenenan'ny olona Azy. Nanome Ohatra ny Irak'Allah mba hanehoana ny toe-javatra iainan'ny Olona miahiahy. Toy ny Mpiandry ondry miandry ny ondriny eo akaikin'ny tany narovan'ny tompony izy, ka saika hihinana amin'ilay toerana voaharo ny ondrin'ny Mpiandry ondry noho ny nanakaikaizany izany. Toy izany koa, izay manao Zavatra mampiahiahy, dia manakaiky ny zava-boarara ka mety ho tafalatsaka ao. Avy eo ny Mpaminany (S.W.A) dia niteny fa misy nofon-kena ao amin'ny vatana (dia ny Fo) ary ny vatana dia ho tsara noho ny fahatsarany ary simba noho ny fahasimbany.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny. Ny mpitondra ny vahoaka dia tompon'andraikitra ary ho hanontaniana momba azy ireo, ary ny lehilahy kosa dia tompon’andraikitra amin'ny ankohonany ary ho hanontaniana amin’izy ireo, ary ny vehivavy dia tompon'andraikitra ny tranon’ny vadiny sy ny zanany, ary hanontaniana momba azy ireo, ary ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny, ary izy dia ho antontaniana amin'izany, noho izany : dia ianareo rehetra tompon'andraikitra ary ho hanontaniana amin'ny andraikinareo avy".
Al-Bukhari and MuslimMilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay eo amin'ny fiaraha-monina dia samy manana andraikitra izay tsy maintsy hiandraiketany sy hiantsorohany. Ny mpitarika sy ny mpitondra no tompon'andraikitra amin'ny zavatra nankinin’Allah taminy, tsy maintsy miaro ny lalàn’izy ireo, miaro azy ireo amin'ny mpanao tsy rariny aminy, miady amin’ny fahavalony, ary tsy manary ny zon'izy ireo. Ny lehilahy ao amin’ny ankohonany dia voadidy hanome izay ilain’izy ireo, hitondra tsara azy ireo, hampianatra azy ireo ary hanitsy azy ireo. Ny vehivavy ao an-tranon’ny vadiny dia tompon'andraikitra amin'ny fitantanana mendrika ny tranony sy ny fitaizana ny zanany, ary izy no hohanontaniana amin’izany. Ny andevo sy ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny eo amin'ny fiarovany ny harena eo an-tanany, sy ny fikarakarany azy, ary izy dia ho hanontaniana amin'izany. Samy tompon'andraikitra amin'izay nankinina taminy ny tsirairay, ary samy ho hanontaniana amin’ny andraikiny avy.
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat, Hoy ireo mpiara-diany : Na dia ady masina aza? Namaly izy hoe : Eny! Na dia ady masina aza! Afa tsy hoe : Olona iray nivoaka niaraka tamin’ny harenany sy ny vatatenany namonjy ady masina ka tsy niverina intsony".
Al-BukhariManazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa soa amin'ny folo Andro voalohany amin'ny volana Zhol-hijjat no tsara indrindra mihoatra ny asa soa atao amin'ny andro rehetra amin'ny taona iray. Ary nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) ireo Mpiara-diany mahakasika ny ady masina amin'ny fotoana hafa ankoatra ireo folo andro ireo, moave tsara sa ny asa soa atao amin'ny andro folo ireo? Nefa fantatra fa ny ady masina no asa mendrika indrindra amin'ny islam. Dia namaly i Mpaminany (S.W.A) hoe : Ny asa soa atao amin'ny folo andro voalohany ireo no asa tsara indrindra mihoatra ny ady masina amin'ny andro hafa, afa-tsy hoe lehilahy iray izay nivoaka nanao ady masina niaraka amin'ny tenany sy harenany amin'ny làlan'ny tompo Allah, ka tsy misy tafaverina ny harenany ary niala ny fofonainany amin'ny làlan'i Allah. Fa izay ihany no asa soa mendrika sy lehibe mihoatra ny asa soa atao amin'ity folo andro voalohany ity.
Tatitra azo avy amin'i Aisha (R.D) fa hoe : Misy Lehilahy iray nipetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W,A) ary Niteny Taminy ny hoe : O ! Ry iraka mahafatokin'i Tompo Allah, manana andevo roa Aho, mandainga Amiko, ary mamitaka Ahy, no sady tsy manaja Ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo Aho sy mikapoka azy ireo, ahoana ny toerana misy Ahy ?. Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo raha toa ka mifandanja amin'ny fahadisoan'izy ireo ny sazy nataonao tamin'izy ireo dia efa ampy izany tsy misy tombony ho Anao na koa hahavoa Anao, fa raha latsakan'izay nataondreo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay Nataonao dia ho tsaraina Ianareo ka hefainao ny mihoatra amin'izany ,". Nisitaka ilay Lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.W.A) : Ianao ve tsy namaky ilay Teniny masinan'i Tompo Allah { Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny Andro farany tsy hisy Olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza }, ny andininy Soratra masina hoe ". Niteny ilay Olona hoe O ! Ry Irakan' i Tompo Allah, tsy hitako izay tsara ho Ahy na ho azy ireo afa-tsy ny misaraka Aminy, mijoro ho vavolombelona Aminao Aho fa avelako izy rehetra.
At-TirmidhiTonga lehilahy iray nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fihetsik'ireo andevo roa ireo, mandainga amiko, mamitaka ahy, ary tsy manaja ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo aho ary kapoiko, ahoana ny toerako amin'izany?, Namaly izy : "@ Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataony izy ireo ary hotsaraina amin'ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo kosa ianao. Ka raha ny sazy izay nataonao tamin'izy ireo mifanaraka tamin'ny fahadisoan'izy ireo dia efa hampy izany tsy misy ho anao na koa havoa anao, fa raha latsakan'izay nataon'izy ireo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay nataonao dia ho tsaraina ianareo ka ho efainao ny mihoatra amin'izany,". Nisitaka ilay lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tsy novakinao va ilay tenin'ny Allah hoe : {Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny andro farany tsy hisy olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza}. [Al- Anbia : 47] , Ka tsy hisy fanambakana mihitsy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary ho marina avokoa ny fifandanjana , ka niteny ilay olona hoe o! Ry irak'Allah tsy mahita ny soa amiko sy eo amin'izy ireo aho ka aleoko ny misaraka amin'izy ireo, Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa avelako afaka izy rehetra noho ny amin’i Tompo Allah. Tahotra ny amin'ny hotsaraina sy hampijalina.
Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa AL-AS'ARIO (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara ".
Al-BukhariMilaza i Mpaminany (SAW) momba ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindram-pony, raha nanao asa tsara ny Mpino Islam nandritra ny fahasalamany sy ny nahateo an-toerana Azy, ka lasa nisy sakana tsy nahafahany nanao an'izany, Ohatra sendra narary Izy ka tsy nahavita intsony, na sahirana tamin'ny fanomanan-dia nataony, na koa fahasahiranana hafa, dia ny valisoany dia voasoratra ho Azy ihany amin'ny endrika feno, toy ny fanaony tamin'ny fahasalamany sy ny mahateo an-toerana Azy.
Tatitra azo avy amin'i Abou Zarri (R.D), Niteny ka nanao hoe : Hoy Aho : Ry Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah ô, inona avy ireo Zinga ny dobo ? dia Namaly Izy ka Niteny hoe : “Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.W.A) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra, rehefa amin'ny alina maizina be, ireo Kôpin'ny paradisa dia izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony, ny sakany dia mitovy ny halavany, manelanelan'ny tanànan'ny Ouman sy Aylat, ny ranony tena fotsy noho ny ronono, ary mamy mihoatra ny tantely."
MuslimNifanta sy nianiana i Mpaminany (S.W.A) fa ny Zinga ao amin'ny dobony amin'ny Andro farany dia ho betsaka noho ny isan'ny kintana sy ny planeta eny amin'ny lanitra. Izany dia miseho amin'ny alina maizina tsy misy volana. Satria tsy hita ny kintana amin'ny alina diavolana, Satria voasaron'ny hazavan'ny volana, ary tsy misy rahona; Satria ny fisian'ny rahona manakana ny Olona tsy hahita ny kintana, Ary ny Zinga ao amin'ny Paradisa, izay misotro amin'ny zava-pisotro misy ao dia tsy hangetaheta mandrakizay, ary izany no farany amin'ny hetaheta izay iainan'ny mpisotro. Ary ny dobony dia misy sakeli-drano roa avy any an-danitra mikoriana ao anatiny, ary mitovy amin'ny lavany ny sakany. Mitovy zoro ny dobo, ny halavany dia mitovy amin'ny elanelan'i Amman, izay tanàna ao Balqua ao SHAMI, mankany Ayla, izay tanàna malaza eo amoron'ny SHAMI. Ny rano ao anaty dobo dia fotsy noho ny ronono, ary ny tsirony dia mamy mihoatra noho ny tantely.
Tatitra azo avy amin'i Omar Bin Al-Khatwab (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe : “Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo.” Hoy i Omar : “Mianiana aho amin'I Allah, fa tsy nianiana tamin’izany intsony aho hatramin’ny nandrenesako ny irak’Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy nanadino na koa nankatia.
Al-Bukhari and MuslimNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Tompo Allah mandrara ny fianianana amin’ny razambe, ka izay te hianiana dia tsy tokony hianiana afa-tsy amin’I Allah ihany, fa tsy mianiana amin’ny zavatra hafa. Avy eo i Omar bin Al-Khattab (R.A) nilaza fa tsy nianiana tamin' izany intsony izy hatramin'ny nandrenesany ny irak'Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy fananiana no sady tsy naheno fianianana nataon'ny olona tamin'ny zavatra hafa.