





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy amin'i Obada (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary i Mohammad dia mpanompony sy Irakany, ary i Jesoa dia mpanompon’I Allah sy Irakany, ary ny teniny no natolony an’i Maria sy fanahy avy any Aminy. Ary misy tokoa ny Paradisa, ary misy ihany koa ny afobe, dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”.
Al-Bukhari and MuslimMilaza ny irak'I Allah (S.A.W) fa izay manonona ny teny fanokanana an'I Allah, mahafantatra tsara ny dikany sy manao zavatra mifanaraka aminy, Ary nijoro ho vavolombelona ny maha mpanompo an’i Mohammad (S.A.W) sy ny hafatra Noéntiny, ary nanaiky ny maha mpanompo an’i Jesoa sy ny hafany. Ary Allah no namorona Azy (Jesoa) tamin'ny filazana hoe "misia" ka dia nisy izy, ary izy dia iray amin'ireo fanahy noforonin'I Allah. Ary nanala ny reniny tamin’ny fanendrikendrehana nataon'ireo Jiosy taminy. Nino koa izy fa tena misy marina ny Paradisa, ary tena misy ny Afobe, mino ny fisian'izy roa, ary izy roa no fahasambarana sy fampijaliana avy amin’I Allah. Ary maty tamin’izany izy; dia ho any amin’ny Paradisa ny làlan-kizorany, na dia nanao tsirambina amin’ny fankatoavana aza izy ary misy fahotana.
Tatitra azo avy amin'i JABRIR IBN Abdillahi (R,D) Niteny ka nanao hoe : Izaho dia naheno an'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny nanao hoe : "Izay mihaona amin'I Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe."
MuslimMilaza mazava tsara i Mpaminany (saw) fa izay maty tsy nanompo sampy, dia mizotra makany amin'ny Paradisa. Na dia hanasazy azy amin'ireo ampahan'ny fahotany aza. Fa izay maty nampitambatra Azy amin'ny zavatra hafa kosa dia hijanona mandrakizay ao amin'ny Afobe.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.
Al-BukhariMilaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manolotra zavatra tokony ho an'I Allah irery ihany amin'ny hafa ankoatra Azy, toy ny fanaovana fangatahana amin ankoatra an'I Allah Tsitoha, na ny fitadiavana vonjy amin'ny hafa ankoatra Azy, ka maty tao anatin'izany izy dia anisan'ny olon'ny Afobe. Nanampy i Ibn Masoud (R.A) fa izay maty tsy nanambatra an’I Allah amin'ny hafa dia ho any amin'ny Paradisa ny làlan-kizorany.
Tatitra azo avy amin'i IBN MAS'ONDI (Ra), niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : "Rendrika ireo mpihoam-pefy", Naveriny in-telo izany teny izany.
MuslimMilaza i Mpaminany (SAW) mahakasika ny fahadisoam-panantenana sy ny fatiantok'ireo mahery fihetsika - noho ny amin'ny làlana diso sy tsy fahalalana izay nisy tamin'izy ireo, amin'ny raharaha ara-pinoan'izy ireo sy ny raharahan'ny fiainan'izy ireo eto an-tany, ary ny amin'ny teny izay naloakan'ny vavan'izy ireo sy ny asa izay nataon'izy ireo, ka izay nihoatra ny fetran'ny lalàna tamin'izy ireo amin'izay zavatra nandidiana azy ireo arakan'ny lalàna noentin'ny Mpaminany (SAW) tamin'izy ireo
Tatitra azo avy amin'i Abo Huoraira (R.A), Niteny i Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".
At-TirmidhiNampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nanome fe-potoana fanampiny olona anànany trosa na koa namela Azy amin'izany trosa izany, valisoany dia : i Allah hanome azy halokaloka eo ambanin'ny seza fiandrianany amin'ny andro farany, rehefa midina hanatona ny lohan'ny mpanompony ny masoandro ary hahery vaika izany, Tsy misy mahazo alokaloka afa-tsy izay omen'Allah alokaloka ihany.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay tian'i Allah omem-pahasoavana dia hotsapainy".
Al-BukhariMampafantatra i Mpaminany (S.A.W) hoe: Raha te hanasoa mpanompony iray i Allah dia hotsapainy amin'ny vatateny sy ny harenany ary ny fianakaviany, mba hiverenan'ireo mpino any amin'i Allah ilay Avo Tsitoha amin'ny alàlan'ny vavaka Doua'n, sy famafana ireo haratsiany, ary fampiakarana ny voninahitra.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."
MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy mijery ny tarehin'ny mpanompony sy ny vatany, tsara tarehy ve izy ireo sa azo tsinontsinoavina? Lehibe sa kely? Salama sa marary? Tsy mijery ny fananan’izy ireo Izy, betsaka ve sa vitsy? Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy manasazy sy hitsara azy ireo amin’ireo raharaha ireo na ny tsy fitovizan’izy ireo ao amin'izany fa Mijery ny ao am-pon’izy ireo sy izay ao anatin’izy ireo momba ny fatahorana sy ny fitokisana, ny fahamarinana sy ny fahadiovam-po, na ny mikasa fireharehana sy ny laza, ary Mijery ny asan’izy ireo amin’ny fahamarinany sy ny fahalotoany Izy, Ka hahazo valisoa sy hanasazy azy ireo noho izany.
Tatitra avy tamin'i Oumar (R.A), niteny manao hoe : "Indray andro izahay niara-nipetrapetraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia nisy lehilahy iray mainty volo ary manao lamba fotsy, tsy hita taratra teo aminy hoe : olona mpiavy na mpanao voyage, tsy nisy nahalala azy mihitsy na iray taminay. Nipetraka teo akaikin'ny Mpaminany (S.A.W) avy hatrany izy, napetany tamin'ny lohalin’ny Mpaminany (S.A.W) ny lohaliny, ary teo ambonin'ny fe-ny ny tànany. Avy eo niteny manao hoe : "O ry Mouhammad (S.A.W), Ampahafantaro ahy ny atao hoe : ISLAM. Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy hoe : "Ny Islam dia ny fijoronao vavolombelona fa tsy misy tompo afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany, ny fanangananao ny Swalat, ny famoahanao ny ampahan-karena na ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, ary ny fivahiniana masina any Makkat raha manan-katao amin'izany ianao. Hoy ilay rangahy namaly azy : Marina tokoa ny voalazanao. Gaga izahay hoy i Oumar (R.A) satria izy nanontany indray no manamarina izay voalaza taminy. Niteny izy hoe : "Ampahafantaro ahy ny atao hoe : FINOANA na ny IMAN". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny Iman dia ny finoanao an'i Allah sy ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, ny andro farany, ary ny lahatra tsara sy ny ratsy". Hoy ilay rangahy : "Marina ny voalazanao". Hoy indray izy nanontany hoe : "Lazao amiko ny atao hoe : hatsarana?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny hatsarana dia ny fanompoanao an'i Allah tahaky ny mahita azy, raha tsy mahita azy ianao dia tadidio tsara fa Izy Allah dia mahita anao hatrany". Hoy ilay rangahy hoe : "Lazao amiko ovina ny fara-andro?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) : "Na ilay anontaniana na ny mpanontany dia samy tsy misy mahalala ny figadonany". Lazao amiko ny famantarana azy. Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny andevo vavy hiteraka ny tompony (lehibeny na patron-ny), ireo tsy mikapa sy miboridana, ireo mahantra, mpiandry ondry no lasa ho mpanan-karena tampoka ka hanangana trano lehibe mijoalajoala". Rehefa tapitra fanontanian’ilay rangahy dia lasa izy. Afaka andro vitsivitsy dia nanontany ahy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Fantatrao ve ry Oumar ilay mpanontany?". Hoy aho namaly azy hoe : "I Allah sy ny Irany ihany no mahalala". Hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Tena marina fa i Djibril (A.S) no tonga teo iny, hampianatra anareo ny rehetra mahakasika ny finoanareo".
MuslimManambara atsika i Oumar ibno Al-Khattabo (R.A) fa niseho teo anatrehan'ny Mpanaradia i Anjely Gabriel (jibril), miendrika Olona tsy fantatra. Ary ny endriny rehefa niseo dia tamin'ny fitafy fotsy be, ary mainty be ny volony. Tsy hita taratra aminy ny voyage toy ny harerahana, ny vovoka, ny volo mikorontana, ny fahalotoan'ny akanjo. Tsy nisy nahafantatra azy ireo nanatrika teo, ary niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) izy ireo ka nipetraka teo anoloan'ny Mpaminany (S.W.A) ihany koa izy, tahaka fipetraky ny mpianatra, nanontany azy momba ny Finoana Islam, ary namaly azy tamin'ireo andry ireo Izy, anisan'izany ny fanekena ny Fijoroana vavolombelona roa momba ny Finoana, ny fifikirana amin'ny vavaka Soalat in-dimy isan'andro, ny fandoavana ny Zakat any amin'izay mendrika azy, ary ny fifadiakanina amin'ny volana Ramadany. Ny fanaovana ny Hadjy izay takina amin'ireo olona manan-katao. Hoy ilay Nanontany hoe : Marina ny Teninao. Gaga tamin'ny fanontaniany ireo Mpanaradia izay mampiseho ny tsy fahalalany ny zavatra hita ho marina, ary avy eo ny Finoany izany. Avy eo dia nanontany azy momba ny finoana, ary namaly azy tamin'ireo andry enina ireo izy, izay ahitana ny finoana ny fisian'i Allah ilay avo Tsitoha sy ny Toetrany, ny fitokanany amin'ny Asany toy ny famoronana, ny fanokanana Azy ho fanompoam-pivavahana, ary ireo Anjely izay noforonin'i Allah avy amin’ny hazavana dia mpanompo mendri-kaja izay mankatò an’i Allah ilay avo Tsitoha ary miasa araka ny Baikony, ary mino ireo Boky nampidinina tamin’ireo Irakan’Allah ilay avo Tsitoha avy Aminy, toy ny Koroany, sy ny Taoreta ny Filazantsara, sy ny hafa izay nomena ireo Iraka sy ny Mpaminany; ary mino an’ireo Iraka izay nampita hafatra avy amin'Allah, ary anisan’izy ireo dia i Mpaminany : Noa, Abrahama, Mosesy, ary Jesosy, ary ny farany tamin’izy ireo dia i Mpaminany Mouhammadi (S.W.A), i Tompo Allah anie hitahy azy ireo sy hanome azy ny fiadanana, ary ireo Mpaminany sy ny Iraka hafa ankoatr'izy ireo, ao koa ny finoana ny andro farany, Ny Andro izay ahitana ny zavatra ho avy aorian'ny fahafatesana ao am-pasana sy ny fiainan'ny Barzakh, ary ny fitsanganana amin'ny maty aorian'ny fahafatesana ary ho tsaraina ka ny fihafarany dia any amin'ny Paradisa na ny Afobe, ary mino fa Allah no mandahatra araka ny tokony ho Izy araky ny fahalalany mialoha sy ny fahendreny ary ny fanoratana izany, eo koa ny sitrapony, ary hiseho izany araka izay voatendriny sy ny nahariany azy ireo. Avy eo dia nanontany azy momba ny hatsarana, dia namaly izy fa ny hatsarana dia ny manompo an'Allah toy ny mahita Azy, Fa raha tsy mahatratra ambaratonga izany dia manompo an'Allah tahaky ny hoe : i Allah mahita azy. Ka ny voalohany dia satan'ny fahitana ary ny faharoa dia ny satan'ny fanaraha-maso. Avy eo nanontany azy hoe : Ovina ny Ora farany? Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahalalana momba ny Ora dia isan’ireo Zavatra natokan'Allah ho azy irery ny fahalalana mahakasika izany, ary tsy misy na dia iray amin’ireo zavaboary mahalala izany, na ilay nanontaniana na ilay panontany. Dia nanontany momba ny famantarana ny Ora izy? Nanazava fa anisan’ny famantarana azy dia fahamaroan’ny Vaditsindranony sy ny Zanany, na ny fahamaroan’ny tsy fankatoavan’ny Zaza ny Reniny, ny fitondrana azy toy ny andevo, ary ny hahatonga izao tontolo izao ho maivana ho an’ny mpiandry ondry sy ny mahantra amin’ny andro farany, ary ho ataony reharehany ny haingo eto antany sy ny fanorenana trano mijoalajoala. Avy eo dia Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa i Anjely Gabriel (jiboril) no nanontany azy, izay tonga hampianatra ny mpanaradia ity finoana marina ity.
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay nitondra zava-baovao ato amin’ity raharahantsika ity, izay tsy ao anatiny dia ho lavina izany.” Nifanarahana. Araka ny voalazan'ny Mouslim : "Izay manao asa fanompoana tsy araka ny didinay dia ho lavina izany."
Al-Bukhari and MuslimManazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamorona zavatra amin'ny finoana na manao zavatra tsy misy porofo avy amin'ny CORAN sy ny Sonnât dia haverina any amin'ny tompony izany ary tsy ho raisin'I Allah.