





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy amin'i JONDOB (R.a), izay niteny hoe : Izaho dia naheno tamin'ny Mpaminany (saw) dimy alina talohan'ny nahafatesany fa Izy niteny ka nanao hoe : " Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza , Ka raha afaka nandray Olona natao ho sakaiza Aho amin'ity vahoako ity, dia mety noraisiko i Abo Bakri (R.a) ho sakaiza. Ka dia tena marina fa ireo vahoaka teo alohanareo dia nandray ny fasan'ireo Mpaminanin'izy ireo sy ireo Olona masina tamin'izy ireo ho toeram-pivavahana, ka eto Aho dia tena manakana Anareo ny amin'izany ".
MuslimNolazain'ny Mpaminany (saw) ny anjara-toeram-boninahitra izay misy Azy eo anatrehan'i Tompo Allah, ary Izy tokoa dia tonga eo amin'ny toerana avo indrindra eny amin'ny faratampon'ny fitiavana, tahaky ny toeram-boninahitra azon'i Mpaminany Abrahama (A.S), Ka izay no nahatonga Azy tsy nanaiky afa tsy i Tompo Allah irery ihany no sakaizany, satria ny Fony dia rakotry ny fitiavana an'i Tompo Allah sy ny halebeany ary ny fahalalana momba Azy, ka tsy afaka mivelatra ho an'ny Olon-kafa intsony, Ka raha nanana sakaiza amin'ny zavaboarin'i Tompo Allah Izy dia i Abo Bakri (R.a) no mendrika ho lasa sakaizany. Ary nandrara ny fihoaram-pefy ny amin'ny fitiavana mifanohitra amin'ny lalàna tahakan'ny nataon'ireo jiosy sy ny Kristiana amin'ny fanajana ny fasan'ireo Mpaminan'izy ireo sy ireo Olona masin'izy ireo ka nahatonga azy ireo lasa nandray izany ho tompo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanompoana ankoatr'i Tompo Allah, ary nanamboatra toeram-pivavahana eo amin'ny fasan'izy ireo, ka izany rehetra izany dia efa noraran'i Mpaminany (saw) an'ireo vahoakany mba tsy hanao tahaky ny nataon'izy ireny.
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy."
Al-Bukhari and MuslimMilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa saro-piaro sy mankahala ary tsy mankatia I Allah, tahaka ny mpino mahay saro-piaro sy mankahala ary tsy mitia, fa ny antony mahasaro-piaro an'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino silamo izay zavatra noraran'I Allah aminy toy ny; fijangajangana sy fanambadianamitovy taovam-pananahana ary ny fangalarana, ny fisotroana toaka, ary ny fahalotoam-pitondran-tena hafa.
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.a) fa izy naheno olona iray niteny manao hoe : "Tsia!! Mianiana aho amin'ny KAABA, dia niteny i Ibn Omar (R.A) : tsy azo atao ny mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah, satria izaho naheno an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe : "Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".
At-TirmidhiMampahafantatra i Mpaminany (saw) fa na iza na iza mianiana amin'ny hafa ankoatra ny anaran'I Allah sy ny toetoetrany dia tsy mino an'I Allah na nanompo sampy. Satria ny fianianana dia midika ho fanomezam-boninahitra an’izay mianiana amin’izany, nefa ho an’I Allah irery ihany ny fahalehibiazana. Tsy mianiana afa-tsy amin’I Allah sy ny Anarany ary ny Toetrany isika, Voninahitra ho Azy. Ary io fianianana eto dia tafiditra ho fanompoan-tsampy kely; fa raha nanome voninahitra be an'ilay zavatra nianianany kosa ilay mpianiana toy ny fanomezam-boninahitra an'I Allah na mihoatr'izany, dia tafiditra ao amin'ny fanompoan-tsampy lehibe izy.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”
Al-Bukhari and MuslimManambara ny Mpaminany (S.A.W) ny momba ireo mpihatsaravelatsihy sy ny hakamoan'izy ireo amin'ny fanatrehana ny soalat, indrindra ny Icha sy ny Fajri, ary raha fantany ny habetsaky ny valisoa sy ny vokatsoa amin'ny fanatrehana azy ireo miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo, dia ho nanatrika izany izy ireo na dia nandady aza toy ny zaza mandady eo amin’ny tànany sy ny lohaliny. Manambara ny Mpaminany (S.A.W) ny momba ireo mpihatsaravelatsihy sy ny hakamoan'izy ireo amin'ny fanatrehana ny swalat, indrindra ny Icha sy ny Fajri, ary raha fantany ny habetsaky ny valisoa sy ny vokatsoa amin'ny fanatrehana azy ireo miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo, dia ho nanatrika izany izy ireo na dia nandady aza toy ny zaza mandady eo amin’ny tànany sy ny lohaliny. Nanapa-kevitra ny Mpaminany (S.A.W) ny hanao ny soalat, ary hanendry lehilahy iray hitarika ny olona eo amin'ny toerany, ary avy eo dia handeha hiaraka aminy ireo olona mitondra amboara kitay ho any amin'ny olona tsy manatrika ny vavaky amin'ny moske, ary hodorany amin'ny afo ny tranon'izy ireo; Noho ny hamafin'ny fahotana izay nataony tamin'izany lafiny izany, - nefa tsy nanao izany izy - noho ny vehivavy sy ny zaza tsy manan-tsiny ary ny hafa izay afa-tsiny sy tsy manan-tsiny tao an-tokantrano.
Tatitra avy tamin'i Abdollahi Bin Massod (R.A) ; Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”.
AhmadMilaza ny Mpaminany (S.A.W) momba ny olona ratsy indrindra, dia ireo tratran'ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy ireo olona mandray ny fasana ho toeram-pivavahana, ka mivavaka eo aminy sy mangataka aminy .
Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".
AhmadMilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra atahorany indrindra amin'ny vahoakany dia ny fanompoan-tsampy kely, izany dia ny: fisehosehoana; manao asa noho ny olona (mba ho hitan'ny olona). Avy eo izy dia nilaza momba ny famaizana ho an'ireo mpisehoseho amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, fa ho lazaina amin’izy ireo hoe : Mandehana any amin’ireo nisehosehoanareo, ary jereo raha manana fahefana hamaly soa anareo sy hanome valisoa ho anareo amin’izany asa izany izy ireo?
Tatitra azo avy amin'i IBN ABBAS (R.a), niteny ka nanao hoe : Niteny i Mpaminany (S.A.W) rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL tany Yamen manao hoe : "ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'I Allah, ka rehefa nanaiky izany izy ireo, dia lazao amin'izy ireo fa I Allah no nandidy azy ireo vavaka in-dimy isan'andro, rehefa nankatoa izany, dia lazao fa I Allah nandidy ny famoahana ny fananan'ny mpanan_karena omen'ny mahantra eo amin'izy ireo, raha efa nankatoa izany dia mitandrema ianao amin'ny fananan'izy ireo, ary matahora ny vavaky ny olona voambaka, satria tsy misy mpanelanelana eo aminy sy ny tompo Allah".
Al-Bukhari and MuslimRehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL (R.A) any Yamen i Mpaminany (S.A.W) ho mpiantso ny olona sy mpampianatra , dia nohazavainy fa izy dia hihaona amin'ireo vahoaka Kristiana, mba hiomanany amin'izany, ka hanomboka ilay fiantsoana amin'ny tena zava-dehibe izay vao manarak'izany. Ka hiantso azy ireo amin'ny famolavolana ny foto-pinoana aloha, amin'ny alàlan'ny fijorona vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah, ary i Mohammad (S.A.W) no irak'I Allah; Satria amin'ny alàlan'ny fitenenana izany no hidiran'izy ireo amin'ny finoana silamo, ka raha nampanarahin'izy ireo fanompoam_pivavahana izany, satria ny fanompoam_pivavahana no adidy goavana indrindra aorian'ny finoana sy fanokanana an'I Allah. Ka rehefa tanteraka izany, dia nodidina ny mpanan_karena amin'izy ireo hamoaka ny Zakat amin'ny harenany haverina any amin'ny mahantra, ka norarany ny fakana harena ankoatr'izay, satria izay ihany no voadidy. Avy eo dia nanariny mba hiataka ny fanambakana, mba tsy hanaovan'ilay voambaka fangatahana ratsy ho azy, Satria ny fa,gatahana ataon'ny voamabaka dia mivaly avy hatrany.
Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny : “ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy ".
Al-BukhariI Mpaminany (S.A.W) dia mandrara ny fihoaram-pefy sy fampitomboana ny fetra ara-dalàna amin'ny fiderana azy sy ny famaritana azy amin'ny famaritana nataon'I Allah Tsitoha azy, toy ny hoe mahafantatra ny tsy hita maso izy, na mahay zavatra hafa miaraka amin'I Allah, toy ny ny Kristiana dia nanao an'izany amin'i Jesosy zanak'i Maria (A.S). Avy eo dia nambarany mazava tsara fa iray amin'ireo mpanompon’I Allah izy, ary nandidy ny hilazanay momba azy hoe : Mpanompon’I Allah sy iraka avy Aminy.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny hoe : Nisy niteny sy nilaza hoe : O ry irak' Allah, iza tokoa no ho sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana izay mbola hataonao amin'ny Andro farany Andro ny fitsanganana amin'ny maty ? dia Hoy ilay irak' Allah namaly ka nanao hoe : “ Nihevitra Aho, ry Abou Houraira, fa tsy hisy Olona hanontany Ahy mihintsy ny momba an'io Hadith io talohanao, ka noho ianao hitako mifikitra mafy amin'io Hadith io, ka Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny".
Al-BukhariMampahafantatra i Mpaminany (saw) fa ny olona sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana ataony amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia ireo izay miteny hoe : "Tsy misy tompo afa-tsy Allah avy am-pony, izany hoe : Tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy Allah, ary voaro manoloana ny fanompoan-tsampy sy fireherehana.