





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Niteny Ibn Omar (RA), niteny ny Irak'Allah (SAW) manao hoe : "Nodidiana aho hiady amin'ny olona mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'I Allah, ary manangana ny soalat sy mandoa zakat, raha manao izany izy ireo dia voaro amiko ny ràn'izy ireo sy ny fananany, afa-tsy ny zon'ny silamo, ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.”
Al-Bukhari and Muslim with all its versionsManambara ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia nandidy azy hiady amin'ireo mpanompo sampy mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary mijoro vavolombelona amin'i Mohammad (S.A.W) fa nitongavan'ny hafatra, ary ny hanao zavatra mifanaraka amin'izany fijoroana ho vavolombelona izany amin'ny fifikirana amin'ny soalat dimy isan'andro sy ny alina, ary ny famoaka ny zakat ho an'izay mendrika izany. Raha manao ireo zavatra ireo izy dia miaro ny rany sy ny hareny ny finoana silamo. Tsy azo atao ny mamono azy ireo raha tsy nanao heloka bevava na fahotana izay mendrika ny hamonoana azy araka ny lalànan'ny finoana silamo. Ary amin'ny andro fitsanganan'ny maty dia Allah Tsitoha no hiandraikitra ny fitsarana azy ireo araka ny fahafantarany ny tsiambaratelon'izy ireo.
Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".
Al-Bukhari and MuslimNasehon'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa ny toe-piainan'ny mpino silamo amin'ny samy izy ireo dia ny fanirian-tsara, ny famindram-po, ny fanampiana ary ny fanohanana, ary ny fahatsapana hotsika amin'ny loza manjo azy ireo, dia toy ny vatana tokana, raha marary ny ampahany iray dia ny vatana manontolo no mamaly azy amin'ny tsy fahampian-torimaso sy ny tazo.
Tatitra azo avy amin'i Abdillahi bin A'mro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."
Al-Bukhari and MuslimNanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny tena mpino silamo manampinoana dia ny olona izay miaro ny lelany amin'ny mpino silamo namany, tsy manompa azy ireo, tsy manozona azy ireo, tsy mifosa azy ireo, ary tsy miezaka ny hanimba azy ireo amin'ny fomba rehetra manimba amin'ny alalan'ny lelany. Ary miaro azy ireo amin'ny tànany, ka tsy miady aminy, na maka ny volany amin'ny fomba tsy ara-dalàna, na izay mitovy amin'izany. Ny mpifindra monina dia ny olona mandao izay noraran'Allah Tsitoha.
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.D), Niteny ka nanao hoe : Izaho Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Ibn Jad'àny tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana dia manohy ny rom-pihavanana, ary mampisakafo ireo mahantra, ka nahasoa azy ve izany ? dia Hoy i Mpaminany (S.W.A) Namaly Azy ka nanao hoe : “ Tsy mahasoa Azy akory izany, izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”.
MuslimNilaza i Mpaminany (S.W.A) momba an'i Abdollahy ibn Jad'àny, isan'ireo Olon-dehibe tamin'ireo foko koraishy talohan'ny finoana Islam. Isan'ireo asa soa nataony dia ny : manohy ny fihavanana amin'ny fianakaviana ary manao soa amin'izy ireo ihany koa, ary ankoatr'izay dia ireo asa soa izay namporisian'ny finoana Islam, Saingy ireo asa soa ireo mahasoa Azy amin'ny Andro farany, noho ny tsy finoany an'i Tompo Allah, ary Izy dia tsy mbola Niteny indray Andro hoe : Tompo o ! Mamela ny heloko amin'ny Andro fitsarana.
Tatitra azo avy amin'i Hakim Ibn Hizam (R.D), Niteny hoe : Niteny Aho hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ! itanao ireo rehetra izay nataoko tamin'ny fotoan'ny habadoana toy fanomezana na koa famotsorana andevo, fanohizana ny rohim-pihavanana, moa va hazahoako valisoa izany rehetra izxany ? Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " Raha nanaiky ny finoana Islamo Ianao dia ho voaray avokoa ireo tsara izay Nataonao ".
Al-Bukhari and MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) fa raha misy Olona tsy Mpino iray miditra amin'ny finoana Islam dia hahazo valisoa Izy noho ny asa soa nataony tamin'ny andron'ny habadoana talohan'ny nidirany ho Islamo, toy ny fanomezana, fanafahana andevo, na fanohizana ny rohim-pihavanana.
Tatitra azo avy amin'i Ibn Oumar (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany ".
MuslimNanazava ny toe-piainan’ny mpihatsaravelatsihy i Mpaminany (S.W.A), dia toy ny Ondry misalasala izy ireo ka tsy mahalala izay andian’Ondry harahina. Mandeha any amin'io andian'Ondry io izy indraindray ary mankany amin'ny iray hafa ihany koa amin'ny fotoana hafa indray. Fa izy ireo mivadibadika eo anelanelan'ny finoana sy ny fikomiana, ka tsy miaraka miharihary amin'ireo vahoaka Mpino izy ireo no tsy miaraka ankolaka ihany koa, Ary tsy miaraka mivantana ihany koa amin'ireo vahoaka tsy Mpino no tsy miaraka ankolaka ihany koa, fa ny endrika aty ivelany dia miaraka amin'ny vahoaka Mpino, fa ny ao anatiny dia feno fisalasalana tokoa ka indraindray mirona any amin'ny andaniny, ary indraindray mivadika aty amin'ny ankilany.
Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Amrou Ibn Al-Aasi (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".
Al-HaakimMilaza sy mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'ny Mpino iray ary mihamarefo sy malemy tahaka ny lamba vao iray rehefa efa ela dia ela ny nampiasaina Azy; Ary izany dia noho ny tsy fahampian'ny fanompoana, na koa vokatrin'ny fanatanterana ireo fahotana ary ny filomanosana ao anaty fahafinaretana. Nanome toromarika Antsika i Mpaminany (S.W.A) mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanavao ny finoantsika, amin’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy, sy ny fahatsiarovana Azy matetika ary ny fangatahana famelan-keloka Aminy.
Tatitra azo avy tamin'i Ammar Ibn Yassir (R.A) niteny : Naniraka ahy ny Mpaminany (S.A.W) tain'ny zavatra iray dia tratran'ny fahalotona lehibe aho nefa tsy nahita rano, ka nihosikosina tamin'ny vovoka aho toy ny biby mihosinkosina, avy eo tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) ka nolazaiko taminy izany, ka hoy izy : “Ampy ho anao raha niteny tamin’ny tànanao roa toy izao sy izao.” avy eo izy dia nikapoka ny tany tamin'ny tanany roa indray mandeha, avy eo nisafo ny tànana havia amin'ny havanana, ary ny ivelan'ny felatànany roa sy ny tarehiny.
Al-Bukhari and MuslimNaniraka an'i Ammar bin Yasser ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny dia iray hamita ampahany amin'ireo zavatra momba azy, saingy tratran'ny fahalotoana lehibe izy tamin'ny alàlan'ny firaisana ara-nofo na fivoahan'ny tsirinaina noho ny faniriana, ka tsy nahita rano handroana izy. Tsy nahafantatra ny lalàna momba ny Tayammom amin'ny fahalotoana lehibe izy tamin'izany, fa ny fantany dia ny lalàn'ny tayammoum eo amin'ny loto madinika ihany. Noho izany dia niezaka mafy izy ary nihevitra fa toy ny fisafona ny faritra sasany sasana eo amin'ny vatana rehefa hanao ozoò noho ny loto, dia noheveriny fa fisafona ny vatana rehetra amin'ny alalan'ny tayammom ny amin'ny loto lehibe, ho fampitahaina amin’ny rano, ka nitsombadimbadika tamin'ny vovoka izy mandra-pahafeno ny vatany manontolo dia avy eo vao nanao soalat. Rehefa tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, dia nitantara izany mba hahaizany raha ny marina ny nataony na tsia? Ka nanazava taminy ny Mpaminany (S.A.W) ny fomba fidiovana amin’ireo loto kely roa toy ny pipy sy ny loto lehibe toy ny fivoahan'ny tsirinaina: izany dia ny fikapohany ny tany amin’ny tànany roa indray mandeha, avy eo fafana amin'ny tànana havia ny ankavanana, sy ny vohotanana roa ary ny tarehy.
Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A) niteny : Nanao velirano tamin'ny Irak'I Allah aho fa hijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak'Allah, hanangana ny Soalat, handoa zakat, ary hihaino sy hankatoa ary hanoro hevitra ho an'ny silamo tsirairay.
Al-Bukhari and MuslimMilaza ilay mpanara-dia iray Jarir bin Abdollah (R.A) fa nanao fifanekena tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fanokanana an'I Allah sy hanao ny Soalat dimy tsy maintsy atao andro aman'alina, miaraka amin'ny fepetra sy ny andry ary ny sonnah momba izany, ary ny fandoavana ny zakat voasoratra, izay fanompoana ara-bola tsy maintsy atao, nalaina avy amin'ny manan-karena ka omena ny mahantra mendrika azy sy ny hafa ankoatr'izy ireo, ary hankatoa ireo mpitondra, ary hanoro làlana sy soso-kevitra ho an'ny mpino tsirairy amin'ny alàlan'ny fikatsahana ny mahasoa azy sy hahatongavan'ny hatsarana aminy ary fanesorana ny ratsy amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika.