Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way






























Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa hoe : Tompo Allah dia makatia ny fanatanterahana ireo fanamaivanana rehetra ara-pinoana izay nomeny, tahaka ny fanamaivanana amin'ireo lalàna sy fanompoana, ary ny fanamorana amin'ireo Mpanompo noho ny fialan-tsiny -tahaka ny fanenana ny isan'ny raka't amin'ny Soalat sy ny fanambarana izany rehefa am-pandehanana (Voyage).. Tahaka ny fitiavany ny fanatanterahana ireo fanapaha-keviny, amin'ireo didy rehetra izay tsy maintsy atao; satria ny fanamaivanana sy ny didy izay nibaikon'i Tompo Allah dia iray ihany.
Nitatitra i Omar (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nahita lehilahy iray izay nahavita ozò, ka namela ampahany mitovy amin'ny halehiben'ny hoho eo amin'ny tongony, ka tsy voatondraka rano tamin'ny ozò nataony, Hoy izy taminy, sady nanondro ny toerana nisy ny tsy fitandremana : Miverena ary manaova ozò tsara, fenoy izany, ary omeo rano araka ny tokony ho izy ny rantsana tsirairay. Dia niverina ralehilahy, ka nofenoany tanteraka ny ozò nataony, avy eo dia nivavaka.
Nilaza ny mpiara-dia amin'ny Mpaminany (S.A.W) antsoina hoe : omm A'ttiya (R.A) fa ny vehivavy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nihevitra ny tsiranoka mavo mivoaka avy amin'ny taovam-pananahana ho fadimbolana - ary ny lokony dia mirona makany amin'ny mainty na mavo - aorian'ny fahadiovana tamin'ny fadimbolana : ka tsy namela ny Soalat sy ny fifehezana noho izany izy ireo.
Nitaraina tamin'ny Mpaminany (SAW) ny iray tamin'ireo vehivavy mpiara-dia taminy fa nandeha rà tsy an-kijanona izy. Dia nasainy nitsahatra tsy nmhanao Soalat izy raha mbola ao anatin'ny fadim-bolana talohan'ny nahatongavan'io zava-baovao io aminy, avy eo dia mandro sy mivavaka izy, ka tamin'izany izy dia nandro an-tsitrapo isaky ny hanao Soalat.
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa raha miara-mivavaka ny mpino silamo dia roapolo manana amby avo heny noho ny vavaka ataony ao an-tranony na eny an-tsena ny vavaka ataony. Nolazainy avy eo ny anton'izany : dia ny hoe raha misy olona iray midio ary manao izany tsara ka mivoaka ho any amin'ny moske ary tsy nivoaka ny trano raha tsy amin'ny fikasana hivavaka, ka isaky ny mamindra izy afa-tsy hoe ampitomboana arak'izany ny voninahiny, ary nofanana arak'izany ny fahotany. Rehefa miditra ao amin’ny moske izy ka mipetraka miandry ny soalat, dia hahazo valisoa amin’izany izy raha mbola miandry ny soalat no ijanonany , ary ny Anjely mivavaka ho azy raha mbola eo amin’ny toerana izay nivavahany izy, miteny izy manao hoe: “Allah ô, mamelà ny helony, Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mibebaha ho azy”, raha tsy hoe nanapaka ny ozò izy, na manao zavatra manaratsy ny olona na anjely.
Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny renirano iray teo am-baravaran'ny olona iray ny vavaka dimy isan'andro sy ny alina amin'ny fanesorana sy fanafoanana ny ota madinika, ka tsy misy na inona na inona intsony mbola mitoetra aminy, na ny fahalotoany.
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny ray dia tsy maintsy mandidy ny zanany - lahy sy vavy - hivavaka rehefa feno fito taona, ary hampianatra azy ireo izay fahalalana ilainy amin'izany. Rehefa feno folo taona izy ireo, dia nitombo ny raharaha momba izany, ary kapohina izy noho ny tsy fanatanterahany izany, ary sarahina izy ireo eo am-pandriana.
Nanontany an' ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanara-diany ny fomba hoentin'izy ireo mangataka tso-drano ho azy? Taorian'ny nahaizan'izy ireo ny fomba fiarahabana azy hoe : “Ho aminao anie ny fiadanana ry Mpaminany ary ny famindram-po sy ny fahasoavan’I Allah...”? Ka nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'izy ireo ny fomba ho ataon'izy ireo rehefa hangataka tso-drano ho azy sy ny dikan'izany: "Allahomma Soalli a'la Mohammadin Wa a'la a'li mohammad" Izany hoe: Dokafo izy amin'ny fitenenana tsara momba azy any amin'ireo Anjely akaiky anao, sy amin'ireo mpanaraka ny finoany, sy ireo mpino havany akaiky. "kama soallaita a'la Ibrahima" Tahaka ny nanomezanao fahasoavana ho an'ny fianakavian'i Ibraham (A.S), dia i Abrahama sy Ismael ary Isaka ary ny taranany sy ireo mpino mpanaraka azy, dia tohizo izany fahasoavanao izany mankany any amin'i Mohammad (S.A.W). "Innaka hamidon madjid" Izany hoe : mendri-piderana ao amin’ny tenanao, ny toetoetranao sy ny fihetsikao, ary midadasika ny fahalehibiazanao sy ny fahefanao ary ny fahalalahan-tànanao. "Allahomma baarik à'la Mohammadin wa à'la à'li Mohammadin kama bà 'rakta à 'la Ibrahima". Izany hoe, omeo azy ny fahatsarana sy ny fahamendrehana lehibe indrindra, ary ampitomboy sy hamafiso izany.
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy manan-kery ny swalat raha tsy amin'ny alàlan'ny famakiana ny Sorat Al-Fatihah, satria anisan'ny andrin'ny soalat isaky ny rakaat izy.