





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i O'bàdat bin Sàmit (R.A) niteny hoe : Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay, tsy hifanditra ny raharaha amin'ny tompony, ary hilaza ny marina na aiza na aiza misy anay, Tsy hatahotra ny tsin'ny mpanome tsiny noho ny Allah.
Al-Bukhari and MuslimNanao fanekena tamin'ireo mpanara-diany ny Mpaminany (S.A.W) mba hanaiken'izy ireo ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin'ny mora sy ny sarotra, ary amin'ny fotoana mampanana sy mampahantra, na amin'ny mahafinaritra ny nofo na amin'ny halany izany baiko izany, eny fa na dia ny mpitondra fanjakana aza maka ny fananam-bahoaka ho azy sy manampatra ny fahefany, na amin'ny hafa ankoatr'izany, dia tsy maintsy mihaino sy mankatò azy ireo amin'ny zavatra tsara, ary tsy miala ambany fahefan'izy ireo, ny ady atao amin’izy ireo dia ratsy kokoa noho ny loza vokatry ny tsy rariny nataon’izy ireo, ary anisan'ny zavatra nifanaiken'izy ireo dia ny hilaza ny marina na aiza na aiza, amin’ny fahadiovam-po amin’Allah ary tsy matahotra izay hanome tsiny azy.
Tatitra azo avy amin'i Ommo Salama (R.A) renin'ireo mpino silamo : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hisy mpitondra ka ho fantatrareo sy tsy ho ankasitrahinareo, ka izay mahalala dia ho afaka madio (amin'ny fahotana, na fihatsarambelatsihy), ary izay tsy mankasitraka dia ho voavonjy (amin'ny fiarahana mitsokombakomba), fa izay mankasitraka sy manaraka kosa.” Hoy izy ireo : Tsy tokony ho vonointsika ve izy ireo? Hoy izy : “Tsia, raha mbola nivavaka izy ireo.”
MuslimNampahafantatra antsika ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpitondra hifehy antsika, ary fantatsika ny sasany amin’ny asan’izy ireo, noho izy fantatra fa mifanaraka amin'ny lalàna silamika, ary lavintsika ny sasany amin'izany, satria mifanohitra aminy, Izay mankahala ao am-pony ny ratsy nefa tsy afaka handà izany; Afaka tamin’ny fahotana sy ny fihatsarambelatsihy izy. Ary izay afaka manohitra ny tsy mety amin’ny tànany na amin’ny lelany ka tsy nakasitrahiny ny fanaovan'izy ireo izany, dia afaka amin’ny fahota izy, ary tsy ho anisan'ny mpandray anjara amin’izany. Fa izay faly amin'ny ataon'izy ireo sy manaraka azy ireo dia ho rendrika tahaka ny naharendrika azy ireo. Dia nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) izy ireo hoe : Tsy tokony hiady amin'ireo mpitondra manana izany toetra izany ve isika? Nandrara azy ireo tsy hanao izany izy, ka hoy izy hoe : Tsia, raha mbola manao fivavahana swalat eo aminareo izy ireo.
Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa AL-AS'ARIO (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara ".
Al-BukhariMilaza i Mpaminany (SAW) momba ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindram-pony, raha nanao asa tsara ny Mpino Islam nandritra ny fahasalamany sy ny nahateo an-toerana Azy, ka lasa nisy sakana tsy nahafahany nanao an'izany, Ohatra sendra narary Izy ka tsy nahavita intsony, na sahirana tamin'ny fanomanan-dia nataony, na koa fahasahiranana hafa, dia ny valisoany dia voasoratra ho Azy ihany amin'ny endrika feno, toy ny fanaony tamin'ny fahasalamany sy ny mahateo an-toerana Azy.
Tatitra azo avy tamin'i Tamiim Ad-dàri (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) dia manao hoe : "Ny finoana dia fananarana". Dia nanontany izahay hoe : Ho an'iza? Namaly izy hoe : Ho an'i Allah sy ny bokiny, ny Irany, ireo mpitarika ary ho an'ny vahoaka silamo tsy ankanavaka".
MuslimNampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia mifototra amin'ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana, mba hanatanterahana izany araka ny nandidian'i Allah azy, tsy misy tsirambina na hosoka. Nisy nanontany an'ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : Iza no tokony homena torohevitra? namaly Izy hoe : Voalohany : Torohevitra sy fananarana dia ho an’i Allah ilay Avo Tsitoha : amin’ny alàlan’ny asa amim-pahadiovam-po ho Azy, ary tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, mino ny maha-Tompo Azy, ny maha-Andriamanitra Azy, Ary mino ny anarany sy ny lazany, manome voninahitra ny didiny, ary miantso ny olona hino azy. Faharoa : Torohevitra ho an'ny Bokiny, dia ny Koroany mendri-kaja : mino isika fa io no Teniny, farany amin'ny Bokiny, ary manafoana ny lalàna rehetra teo alohany, ary manaja Azy sy mamaky Azy araka izay tokony hamakina izany, ary miasa arak'izay manapa-keviny, ary hanaiky izay mitovitovy Aminy, ary mandà ny hevitry ny mpamitaka amin'ny fandikana Azy, ary mandinika ny Toriteny, ary mampiely ny fahalalany, ary miantso amin'ny làlana mankany Aminy. Fahatelo : Torohevitra ho an'ny irany Mouhammadi (S.A.W) : Mba hinoatsika fa Izy no Farany amin'ireo Iraka maro izay nifandimby, hinoatsika ny zavatra Nentiny, hankato ny Didiny ary hiala amin'ny Fandrarany Isika, ary tsy hanompo isika afa-tsy mifanaraka amin'izay nentiny, manaja ny zony isika, ary manaja azy, hanaparitahana ny fiantsoana nataony, hanaparitahana ny Lalàny, ary Handà ny fiampangana Azy. Fahaefatra : Torohevitra ho an'ireo mpitariky ny mpino silamo : Amin'ny fanampiana azy ireo amin'ny fahamarinana, tsy miady hevitra amin'izy ireo momba ny raharaha ara-pinoana, ary mihaino sy mankatò azy ireo ao amin'ny fankatoavana manokana an'i Allah. Fahadimy : Torohevitra ho an’ny mpino silamo : Hanao tsara amin’izy ireo, hiantso izy ireo amin'ny làlana mahitsy, hanatsahatra ny fanaratsiana azy ireo, hankatia ny soa ho azy ireo, ary miara-miasa aminy amin’ny fahamarinana sy ny fatahorana an'Allah.
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Maso'di (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hisy vokany sy raharaha izay holavinareo.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah ô, inona no andidianao anay? Hoy izy : “Hataonareo izay adidy tokony ho anareo, ary mangataka amin’Allah izay anareo.”
Al-Bukhari and MuslimNilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpitondra eo amin'ny silamo izay hanao ampihimamba ny volan'ny silamo sy ny raharahan'izy ireo eto an-tany, handany izany araka izay tiany ary tsy hanome ny zon'ny mpino silamo amin'izany. Ary mety hanao zavatra tsy ankasitrahana izy ireo momba ny finoana. Nanontany azy ireo ny mpanaradiany hoe: Inona no tokony hataon’izy ireo amin’izany toe-javatra izany? Niteny tamin'izy ireo ny Mpaminany (S.A.W) fakany ny harena ho azy samirery dia tsy misakana anareo hanao izay adidinareo amin'izy ireo amin'ny fihainoana sy ny fankatoavana, fa kosa, mahareta, mihainoa, mankatò ary manaova fa aza mifanditra amin'izy ireo amin’io raharaha io, ary angataho ny zo anananao amin’Allah, mba hanitsiny azy ireo sy hanesorana ny faharatsiana sy ny tsy rariny ataony.
Tatitra azo avy amin'i No'man bin Bashir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalatsaka ao anatiny, dia toy ny andian'olona nandeha sambo ka nanao antsapaka; ka ny sasany nahazo ny toerana ambony ny sasany kosa eny ambany, Ka rehefa tia hahazo rano ireo aty ambany dia tsy maintsy miakatra amin'ny zareo any ambony, dia niteny izy ireo hoe : Maninona raha lavahantsika ato ambany amin'ny toerana misy atsika ity mba tsy hanelingelina zareo any ambonintsika, Ka raha navelan'ireo tany ambony hanao izay tiany hatao ry zareo dia samy rendrika avokoa, fa raha norarany kosa dia samy avotra daholo".
Al-BukhariNanome ohatra ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ireo izay manaja hatrany ny fefin'Allah, izay mifikitra amin'ny didin'Allah, mamporisika amin'ny tsara sy mandrara amin'ny ratsy, Ary ny ohatry ny olona izay latsaka ao anatin'ny fefin'Allah izay tsy miraharaha ny fanaovan-tsoa fa manao ny ratsy, ary ny fiantraikan'izany eo amin'ny fanavotana ny fiaraha-monina, dia toy ny ohatry ny olona izay niondrana an-tsambo, ary izy ireo nanao antsapaka ny amin’izay hipetraka any ambony amin'ny sambo sy izay hipetraka aty ambany, ka ny sasany tamin’izy ireo no nahazo ny ambony ary ny sasany teo ambany, ary raha te-hantsaka rano ny eny ambany, dia tsy maintsy niampita amin'ny zareo any ambony, dia hoy ireo teo ambany : Raha nandavaka eo amin'ny fitoeran-tsika isika mba hahazoana rano no sady tsy hanelingelina izay any ambonin-tsika, ka raha navelan'ireo ambony hanao izany izy ireo, dia ho rendrika ny sambo ary rendrika daholo izy rehetra, ary raha nandrara sy nanakana azy ireo, dia ho voavonjy daholo ny vondrona roa.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny. Ny mpitondra ny vahoaka dia tompon'andraikitra ary ho hanontaniana momba azy ireo, ary ny lehilahy kosa dia tompon’andraikitra amin'ny ankohonany ary ho hanontaniana amin’izy ireo, ary ny vehivavy dia tompon'andraikitra ny tranon’ny vadiny sy ny zanany, ary hanontaniana momba azy ireo, ary ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny, ary izy dia ho antontaniana amin'izany, noho izany : dia ianareo rehetra tompon'andraikitra ary ho hanontaniana amin'ny andraikinareo avy".
Al-Bukhari and MuslimMilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay eo amin'ny fiaraha-monina dia samy manana andraikitra izay tsy maintsy hiandraiketany sy hiantsorohany. Ny mpitarika sy ny mpitondra no tompon'andraikitra amin'ny zavatra nankinin’Allah taminy, tsy maintsy miaro ny lalàn’izy ireo, miaro azy ireo amin'ny mpanao tsy rariny aminy, miady amin’ny fahavalony, ary tsy manary ny zon'izy ireo. Ny lehilahy ao amin’ny ankohonany dia voadidy hanome izay ilain’izy ireo, hitondra tsara azy ireo, hampianatra azy ireo ary hanitsy azy ireo. Ny vehivavy ao an-tranon’ny vadiny dia tompon'andraikitra amin'ny fitantanana mendrika ny tranony sy ny fitaizana ny zanany, ary izy no hohanontaniana amin’izany. Ny andevo sy ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny eo amin'ny fiarovany ny harena eo an-tanany, sy ny fikarakarany azy, ary izy dia ho hanontaniana amin'izany. Samy tompon'andraikitra amin'izay nankinina taminy ny tsirairay, ary samy ho hanontaniana amin’ny andraikiny avy.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony ny olona".
Al-Bukhari and MuslimNianiana ny Mpaminany (S.A.W) fa akaiky ny fidinan'i Jesoa zanak'i Maria (S.A.W) dia hitsara eo amin'ny olona amin'ny fahamarinana araka ny lalàn'i Mohammad izy. Ary hotapahiny ny hazo fijaliana izay hajain’ny Kristianina. Ary i Issa (A.S) dia hamono ny kisoa. Ary izy dia tsy hitaky ny hetra fa hiantso ny olona rehetra hiditra hanaraka ny finoana silamo. Ary hihoatra ny harena ary tsy hisy haka intsony izany, noho ny hamaroany, sy ny fahampian'ny eo an-tanan'ny tsirairay, ary ny fidinan'ny hatsarana sy ny fifandimbiasan'ny fahasoavana.
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D) Niteny ka nanao hoe : Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina no naniraka Anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.
Al-BukhariMilaza sy mampahafantatra i Anas ibn Màlik (R.D) : Rehefa nipetrapetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) tao amin'ny Mosque izy ireo dia nisy lehilahy iray niditra miaraka tamin'ny Rameva ka nifatorany, Avy eo nanontany azy ireo hoe : iza Aminareo no Mouhammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka eo amin'ny vahoaka, ka Niteny Izahay hoe : io Lehilahy fotsy mipetraka io, Niteny Taminy ilay Lehilahy : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) : enoko Anao, ary manontania fa ho valiako. Niteny tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izy : hanontany Anao Aho amin'ny fanontaniana entitra, ka aza tezitra Amiko Ianao. Izany hoe : Aza tezitra Amiko ary aza malahelo, Namaly Izy : anontanio izay rehetra ilainao, Niteny ilay Lehilahy : Manontany Anao Aho ary mifanta sy mianiana amin'ny Tomponao sy ny Tompn'ireo teo aloha, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ho any amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny, tena i Tompo Allah tokoa, fankamafisana ny fahamarinany, Niteny ilay Rangahy ka nanao hoe : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, manontany Anao amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina ve no naniraka Anao handidy Anay hivavaka in-dimy isan'andro, ary izany no fivavahana Soalat voadidy, Namaly Izy : Eny, Izy tokoa no Tompo Allah, Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao hampifehy Anay amin'ity volana ity isan-taona ? Izany hoe volana Ramadany, Namaly Izy : Eny, tena Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, fa tena Allah tokoa ve no naniraka Anao amin'ny hamohanay ny ampahany amin'ny harenan'ireo Mpanankarena Aminay dia homena ireo izay mahantra Aminay ? Izany hoe Zakat, Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny, fa tena Tompo Allah tokoa, Dia nanaiky ny finoana Islam i Damam, ary nampahafantatra an'ny Mpaminany (S.W.A) fa hiantso vahoakany amin'ny finoana Islam, ary nampahafantatra ny tenany fa Izy tokoa no Damam ibn Tha'labat avy amin'ny foko Sa'd ibn Bakr.