





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Chidàd Ibn Aosy (R.D) Nilaza : Misy zavatra roa voaraiko tamin'ny Irakan'Allah (S.W.A), Hoy izy manao hoe : "Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra ; ka raha mamono biby ianareo, dia aoka mba hanatsara ny famonoana azy, ary raha manapaka biby fiompy ianareo, dia tapao tsara; ka aoka handrangitra tsara ny Lelan'antsiny ny tsirairay aminareo mba , ary hampiadana ny biby tapahiny ."
MuslimNy Mpaminany (S.W/A), dia milaza amintsika fa Allah ilay avo Tsitoha dia nandidy antsika hanao soa amin'ny zavatra rehetra, ary ny fanaovana soa : dia ny fitandremana an'Allah mandrakariva, amin'ny fanompoana azy sy amin'ny fiezahana manao soa ary ny fitsaharana amin'ny fanaovan-dratsy manoloana ireo zavaboary, ary tafiditra ao anatin'izany fanaovan-tsoa izany ny famonoana sy fanapahana. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fampiarana didy famonoana : Dia ny fisafidiana fomba mora indrindra, maivana ary haingana indrindra amin'ny fanalana fofon'ain'Olona ho vonoina. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fanapahana kosa : Dia ny fangorahana amin'ilay biby amin'ny alàlan'ny fandrangitana tsara ny fitaovana, ary tsy rangitina eo anoloan'ny biby hovonoina raha mijery izany izy, ary tsy mamono azy raha mbola misy biby fiompy hafa mijery azy.
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : i Mpaminany (S,W,A) no olona tsara toetra indrindra.
Al-Bukhari and Muslimi Mpaminany (S.A.W) no tonga lafatra indrindra amin'ny olona rehetra, ary izy no voalohany tamin'ny fitondran-tena sy ny hatsaran-toetra rehetra, tamin'ny fanomezna ny teny mamy, ny fanaovana ny tsara, ny famirapiratana amin'ny tarehy, ny fandrarana ny ratsy ary ny fandeferana amin'ny hafa.
Tatitra azo avy amin'i Saad Ibn Hisham Ibn Aamir - rehefa niditra tao amin'i Aicha (R.A) : O! Ry Renin'ny mpino rehetra, ambarao Ahy ny toetran'ny Mpaminany (S.W.A), namaly izy hoe : Moa ve tsy mpamaky Koroany Anao? Niteny aho hoe : Eny, Dia niteny izy hoe : fa ny toetran'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny Koroany.
MuslimNanontaniana renin'ny mpino A'ishat (R.A) momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy amin'ny valinteny feno, ary namaly ilay mpanontany amin'ny Kor'any masina izay mamehy ny fahatsaran-toetra rehetra, niteny izy hoe : Ny toetrany dia ny Koroany masina, izay didy rehetra ao aminy dia notanterainy avokoa, ary izay rehetra noraran'ny Koroany dia nisitahany avokoa, ka ny toetrany dia ny fampiharana izany, ary mijoro amin'ny fetrany, ary mampihatra ny fahalalam-pomba rehetra ao anatiny Izy, ary maka lesona ihany koa amin'ireo ohatra sy ny tantara voarakitra ao.
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny : Izaho niaraka nandro tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tao anaty siny be iray ary samy tratran'ny loto lehibe izahay roa, ary nanafatra ahy izy mba hisaron-tena, ka nanafosafo ny vatako izy raha mbola tao anatin'ny fadim-bolana aho Ary navoakany aty amiko ny lohany rehefa izy tao anatin'ny i’tikaf, ka sasako ny lohany ary ao anatin'ny fandim-bolana aho.
Al-Bukhari and MuslimNilaza momba ny fiainam- piainany manokana miaraka amin'ny Mpaminany (S.A.W) ny renin'ny Mpino Aisha (R.A), isan'izany ny : nidio tamin'ny fahalotoana lehibe niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, tao anaty siny be iray ka samy naka rano tao aminy. Ary raha tia hanafosafo azy mandritra ny fadim-bolana ny Mpaminany (S.A.W), dia nasainy nanarona ny vatany miainga eo min’ny foitra ka hatrany amin’ny lohalika, mba hahafahany miaraka aminy fa tsy misy firaisana. Ary rehefa nanao I'tikaf tao amin'ny moske ny Mpaminany (S.A.W) dia namoaka ny lohany tany amin'i Aisha, ka nosasany izany, any an-tranony ihany anefa izy no sady tao anatin'ny fadim-bolana.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Saì'd Al-Khodri (R.A) -dia niaraka nanao ady masina roa ambin'ny folo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) - dia hoy izy : Nandre zavatra efatra avy amin'ny Mpaminany (Saw) aho ka nahafinaritra ahy, niteny Izy: “Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady azy, ary tsy hanao fifehezana amin'ireto andro roa ireto : Al-Fitr sy Al-Adha, ary tsy hivavaka aorian’ny Fajr mandra-piposahan’ny masoandro sy aorian’ny Asri mandra-pilentikiny , ary aza manao fitsidiana masina afa-tsy amin’ny moske telo: ny Moske Haram, ny Moske Al-Aqsa, ary ity moskeko ity”.
Al-BukhariNandrara zavatra efatra ny Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany dia ny : manakana ny vehivavy tsy handeha lavitra mandritra ny roa andro tsy miaraka amin'ny vadiny na ny iray amin’ireo fady azy, izany dia havany fady azy mandrakizay, toy ny zanakalahy, ray, zana-drahalahy, zanaky ny anabavy, dadatoan-dray, rahalahan-dray, sy ny toy izany. Ny faharoa : Fandrarana amin’ny fifehezana amin'ny andro Eid al-Fitr sy ny Eid al-Adha, na dia fifehezana noho ny voady, na an-tsitrapo, na ny fanonerana trosa. Ny fahatelo : voarara ny manao soalat an-tsitrapo aorian’ny vavaka Asri mandra-pilentiky ny masoandro, ary aorian’ny vavaka maraina Fajri mandra-piposahan’ny masoandro. Ny fahefatra : Voarara ny mandeha any amin’ny toerana ka mino ny fahamasinany sy finoana ny fitomboan'ny fahasoavana azo avy aminy, ankoatra ireo moske telo ireo, koa tsy azo atao ny mandeha any amin’ny toerana hafa mba hivavaka hahazoana fahasoavana, satria tsy hitombo ny valisoa raha tsy ao amin'ireo moske telo ireo dia ny Moske Haram, ny Moske Mpaminany ary ny Moske Al-Aqsa.
Tatitra azo avy amin'i ibn A'bbas (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nampidinina tamin'ny ilay Irakan' i Tompo Allah ny faminaniana fony izy mbola Efa-polo Taona, nitoetra tao Lameka (Makka) nandritra ny Telo ambin'ny folo taona, avy eo dia nasaina nifindra monina, ka nifindra monina nakany tany Madina, ary nitoetra tao nandritry ny folo Taona, avy eo dia maty Izy (S.W.A).
Al-Bukhari and MuslimMilaza sy mampahafantatra i ibn A'bbas (R.D) : fa Nampidinina tamin'ny Irakan' i Tompo Allah ny faminanina rehefa Izy feno Efa-polo Taona, ary monina tao Lameka nandritra ny Telo ambin’ny folo Taona taorian’ny faminaniana, avy eo dia nasaina nifindra monina tany Madina Izy ary nitoetra tao nandritra ny folo Taona, ary avy eo dia maty Izy rehefa feno Telo amby Enimpolo Taona.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mou slim Al-Khaolani dia niteny Izy hoe : Niresaka tamiko ilay malala sy azo itokisana, raha ny aminy dia malalako Izy, ary izy dia azo itokisana eo anatrehako, Aof bin Malik Al-Ashja'i (R.A) niteny hoe : Tao amin'ilay Irak'Allah (S.A.W) izahay, miisa sivy, na valo, na fito, hoy izy : “Tsy hanao velirano amin’ irak’Allah va ianareo?” ary vao tsy ela akory tamin'izany no nanaovanay velirano taminy, ka hoy izahay : “Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah” Dia hoy izy : “Tsy hanao velirano amin’ny irak’Allah va ianareo?” Dia hoy izahay : "Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah". Dia mbola niteny izy : "Tsy hanao velirano amin’ny irak’Allah va ianareo?" Hoy izy : “Namelatra ny tànanay izahay ka niteny hoe : Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah, ka ahoana no hanaovanay ny velirano aminao? Dia hoy izy : “Amin'ny fanompoana an'I Allah ka tsy hampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona, sy ny soalat dimy isan’andro, ary hankatò - ary niteny mora kely izy — ary aza mangataka na inona na inona amin’ny olona.” efa hitako ny sasany tamin'ireny olona ireny latsaka taminy ny karavasiny , ka tsy mangataka na iza na iza hanome azy izany.
MuslimNiaraka tamin'ireo mpanara-diany maromaro ny Mpaminany (S.A.W), ka nangataka azy ireo intelo izy mba hanao velirano aminy sy hampanantena azy fa hanolo-tena amin'ny raharaha sasany: Ny voalohany : Ny fanompoana I irery ihany amin’ny alàlan’ny fankatoavana ny didiny sy ny fialana amin’izay norarany, ary ny tsy hanambatra Azy amin'ny hafa. Ny faharoa : Fananganana ny vavaka dimy tsy maintsy atao isan’andro sy alina. Ny fahatelo : Ny fihainoana sy ny fankatoavana amin’ny tsara ho amin'izay miandraikitra ny raharahan'ny mpino silamo. Fahefatra : fanakinana ny filana rehetran'izy ireo any amin'I Allah, ary tsy mangataka na inona na inona amin’ny olona, ary nampidina ny feony ny Mpaminany (S.A.W) tamin’izany. Tena nanatanteraka ny veloranony ny mpanara-dia, ary nilaza mihitsy ilay mpitantara ny hadith hoe : Hitako ny sasany tamin'ireo mpanara-dia nilatsaka ny karavasin'ny iray tamin'izy ireo, ary tsy nangataka na iza na iza hanome izany ho azy izy, fa aleony midina haka azy.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Wàqid Al-Laythì (R.A) : Rehefa nivoaka nankany Honayn ny Mpaminany (S.A.W) dia nandalo teo akaikin'ny hazon'ireo mpanompo sampy izay voalaza fa misy rojo vy anantonana ny fitaovam-piadian'izy ireo, ka hoy ireo mpanaradiany hoe : o ry Irak'Allah, anaovy hazo ohatr'ity ho anay tahaka ny azy ireo. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Sobhànallàh! Izany dia tahaky ny voalazan’ny vahoakan’i Mosa manao hoe : “Anaovy tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo” [Al-A’raf: 138] Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo".
At-TirmidhiNankany Honayni ny irak'Allah (S.A.W), izay lohasaha manelanelana an'ny Taif sy Lameka, ary niaraka taminy ireo mpanaradiany izay vao niditra ny finoana islamo tsy ela. Nandalo teo amin’ny hazo iray antsoina hoe “Zat Anowat”, Izany hoe misy fanantonana, izay nampiasain’ireo mpanompo sampy ary nohamasinin'izy ireo ary nanantonan'izy ireo ny fitaovam-padiany sy ny zavatra hafa, hitadiavana fahasoavana. Koa nangataka tamin’ny Irak’Allah (S.A.W) izy ireo mba hanao hazo tahaka izany ho azy ireo, mba hanantonany ny fitaovam-pidiany ho fitadiavana fahasoavana, ary nihevitra izy ireo fa dia azo atao izany, Nidera an'Allah ny Mpaminany (S.A.W) ho fanamelohana izany fanambarana izany sy fanomezana voninahitra an’Allah, ary nilaza izy fa mitovy amin’izay nolazain’ny vahoakan’i Mosa (A.S) taminy io teny io, hoe : “Manaova tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo. ” Rehefa nahita ireo nanompo sampy izy ireo dia nangataka ny hanana sampy tahaka ireo mpanompo sampy manana ny sampiny, ary izany dia fanarahana ny lalan'izy ireo. Avy eo nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ity vahoaka ity dia hanaraka ny làlan'ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanao izay nataony, ho fampitandremana ny amin'izany.
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) niresaka taminy momba ny zavatra iray, dia hoy izy : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao." Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nataonao mitovy tantana amin'Allah aho?” Lazao fotsiny hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany”.
AhmadNisy lehilahy iray tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niresaka taminy momba ny raharahany, dia hoy izy : “Raha sitrak'Allah sy raha sitrakao.” Nanameloka izany fanambarana izany ny Mpaminany (S.A.W) ary nilaza taminy fa ny fanakambana ny sitrapon'ny zavaboary miaraka amin'ny sitrapon'Allah amin'ny matoan-teny mpampitohy (sy) dia fanompoan-tsampy kely, ary tsy azo ataon'ny mpino silamo ny miteny izany. Avy eo izy dia nitarika azy ho amin’ilay fitenenana marina hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany", ka natokany ho an'Allah irery ihany mpanatanteraka izay sitrany, noho izany dia tsy azo atao ny manambatra sitrapon'ny zavatra iray amin'ny sitrapon'Allah na amin'ny endrika inona na endrika inona.