





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Aicha, Renin'ny mpino (R.A) niteny : Niditra tao amiko ny Irak'Allah (S.A.W) ka ny andri-tranoko, (na vata kely fitahirizan-javatra), nosaronako lamba misy sari-zavamananaina, ary nohony nahita izany izy, dia nongotany ary niova ny tarehiny, dia hoy izy hoe : “Ry Aisha, Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah". Hoy i Aisha : “Notapahinay ilay izy ary nataonay ondana iray na roa.”
Al-Bukhari and MuslimNiditra tao an-tranony ny Mpaminany (S.A.W) tao amin'i Aisha, ka hitany fa nosaronany lamba misy sarin'ny zavamananaina ny vata kely fitahirizan-javatra ka niova ny lokon’ny tarehiny noho ny hatezerana noho ny antony finoana ka nongotany izany dia niteny hoe : Ny olona hijaly indrindra amin’ny andro farany, dia ireo izay manamboatra zavatra mitovitovy endrika amin’ny zava-boarin’Allah. Hoy i Aisha : Ka nataonay ondana iray na roa izany.
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Hoy Allah: nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany, Koa ny fandaingana nataony, dia ny fitenenany hoe : Tsy hahavita hamerina ahy tahaka ny namoronany ahy Izy (Allah), ka tsy ny famoronana tamin'ny voalohany ve no sarotra kokoa noho ny mamerina izany, ary ny fanompana Ahy kosa dia ny fitenenana hoe : Allah naka zazalahy ho zanaka, nefa Izaho irery no hatrizay ary tokana, tafandrain'ny rehetra, sady tsy niteraka, na nateraka, ary tsy misy mitovy amiko".
Al-BukhariManazava ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Hadith Qodsì fa Allah Tsitoha nilaza tamin'ireo mpanompo sampy sy ireo mpikomy fa izy ireo dia mampandainga Azy sy milaza Azy ho manana fahabangana sy kilema, nefa tsy mendrika azy ireo ny hiteny izany. Fa ny fampandaingasana kosa ataon’izy ireo aminn’Allah :Dia ny fiheveran’izy ireo fa tsy hamerina azy ireo intsony Allah aorian’ny fahafatesany, tahaka ny namoronany azy ireo tamin’ny voalohany izay niainga avy tamin'ny tsy fisiana, ka namaly azy ireo I Allah fa Ilay namorona tamin’ny tsy fisiana dia afaka mamerina azy ireo, ary izany no mora kokoa aza , ary raha ny amin’Allah dia mitovy lenta aminy ny famoronana sy ny famerenana ny zavatra amin'ny laonany. Ary I Allah manana fahefana ny zava-drehetra. Ny amin’ny fanopan'izy ireo Azy : dia ny fitenenan’izy ireo hoe : manan-janakalahy Izy, ka novaliany fa Izy no tokana amin’ny fahafenoana rehetra amin’ireo Anarany, amin’ny Toetoetrany ary amin’ny Asany, tsy misy kilema sy tsy fahampina, Ilay irery hitoetra mandrakizay tsy mila na iza na iza, fa ny rehatra dia mila Azy, ary tsy mba rain’iza na iza Izy, ary tsy mba zanak’iza na iza, ary tsy nisy tahaka Ahy, na mitovy aminy, ny voninahitra ho Azy.
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny izy : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) : Niteny i Allah : Izay olona nifahavalo amin'olon-tiako dia efa niantso ady aminy Aho, ny zavatra izay farany tiako tanterahin'ny mpanompoko mba hanantonany ahy dia ireo zavatra nataoko didy aminy, ary tsy mitsahatra manantona ahy ny mpanompoko amin'ny alàlan'ny fanatanterahany ny fanompoana fanampiny mandrapaha hitiavako azy, rehefa mitia azy Aho dia Izaho no miaro azy : amin'ny sofiny izay hiainoany, sy ny masony izay ahitany, sy ny tànany izay hikapoany, ary ny tongony izay hamindrany, ka omeko izy raha toa ka mangataka amiko, ary Arovako raha mitady fiarovana amiko, tsy nisalasala na oviana na oviana aho tamin’izay ataoko tahaka ny fisalasalako amin’ny fanahin’ny mpino, izay mankahala ny fahafatesana, ary halako ny mikasika izany".
Al-BukhariNilaza ny Mpaminany (S.A.W) ao amin'ny Hadith Qodsì fa niteny i Allah Ilay Tsitoha nilaza manao hoe : Izay manisy ratsy ny iray amin’ny sakaizako, na manao zavatra mahatezitra azy, na mankahala azy, dia mampahafantatra azy sy manambara azy Aho fa fahavaloko izy. Ny sakaizan'Allah dia : ny mpino matahotra, ary arakaraka ny halehiben’ny finoana sy ny fatahoarana ananan’ilay mpanompo, dia tahaka izany koa ny anjarany eo amin'ny maha sakaizan’Allah. Ny mpino silamo dia manatona akaiky ny Tompony amin'ny zavatra tiany kokoa amin'ny zavatra nandidiany azy, toy ny fankatoavana sy ny fialana amin'ny zavatra voarara, ary tsy mitsahatra ny mpino silamo manakaiky ny Tompony amin'ny alàlan'ny asa fanompoana an-tsitrapo sy ny vavaka tsy maintsy atao, mandrampahazoany fitiavan’Allah. Rahefa tia azy Allah dia hanampy azy amin’ireto lafiny ratsam-batana efatra ireto Tarihiny ny fihenony, ka izay ankasitrahan’Allah ihany no henony Tarihiny ny ny fijeriny, ka izay tian’Allah sy ankasitrahany ihany no jereny. Arovany ny tanany, ka tsy manao na inona na inona amin’ny tanany izy afa-tsy izay sitrak’Allah. Arovany ny tongony, ka izay ankasitrahan’Allah ihany no alehany, ary ny soa ihany no tadiaviny. Eo anilan'izany koa, raha mangataka zavatra amin’Allah izy, dia homen’Allah izay nangatahiny, ary hamaly ny antsony Izy, ary raha mitady fialofana amin’Allah izy, dia hiaro azy amin’izay atahorany Allah. Dia hoy Allah ilay Tsitoha : Tsy nisalasala aho na inona na inona amin'ny zavatra ataoko tahaka ny tsy fisalasalako hanala ny fanahin’ny mpino noho ny famindram-po aminy, satria halany ny fahafatesana noho ny fanaintainana aterak’izany, ary halan’Allah ny mamparary ny mpino.
Tatitra azo avy tamin'i O'qbata bin À'mir Al-Johanì (R.A) : Nisy fianakaviana tonga teo amin’ny Irak’Allah, ka nanao velirano tamin'ny sivy izy, ary natsahatrany ny iray. Hoy izy ireo: “Ry irak’Allah ô, nanao velirano tamin'ny sivy ianao ary natsahatrao ity? Hoy izy : “ravaka ody”, ka natsofony ny tanany ary notapahiny izany, avy hatrany dia nanao velirano taminy izy tao aorian'izany, ary hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”.
AhmadNisy antokon'olona tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary folo isan'izy ireo. Nanao velirano tamin'ny sivy momba ny finoana silamo sy fankatoavana azy ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy nanao velirano tamin'ny fahafolo. Rehefa nanontaniana azy (S.A.W) ny anton'izany, dia hoy Izy : Mitafy ravaka ody izy, zavatra mifatotra na mihantona amin’ny vakana sy zavatra hafa mba hiarovan-tena amin’ny ratsy na ny loza. Dia natsofok'ilay lehilahy tao amin’ny toeran’ny ravaka ny tànany, ka notapahiny ary notaperiny hatreo ny momba izany, izay vao nanao velirano taminy ny Mpaminany (S.A.W) tamin’izany fotoana izany, ary nampitandrina ny amin’ny fampiasana ravaka ody sy nanazava ny momba ny lalànan'izany: "Izay nanantona ravaka ody dia efa nanompo sampy".
Tatitra azo avy tamin'i Zayd bin Khalid al-Johany (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nitarika Soalat Soubhy i Mpaminany (S.W.A) tao Hodaybiat taorian'ny filatsahan'ny Orana nandritry ny alina, rehefa tapitra izany dia nitodika tany amin'ny Olona Izy, ka dia Niteny hoe : " fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy , Ka izay Niteny hoe : Nirotsaka amintsika ny Orana noho ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny indrafony, izany dia Mino Ahy ary tsy mikomy ny kintana, fa izay milaza hoe : Nohon'ny zavatra izany sy izany, ireny dia Mikomy Ahy ary mino ireny kintana ".
Al-Bukhari and MuslimNitarika vavaka maraina i Mpaminany (S.W.A) ny (Soalat) teo amin'ny hodaybiat - izy io dia tanàna ambanivohitra akaikin'ny Makka- taorian'ny Orana izay latsaka tamin'ny alina, Rehefa namarana ny vavaka izay nataony Izy, dia nitodika nanatrika ny Olona, avy eo nanontany azy ireo ka nanao hoe : Fantatrareo ve inona no lazain'ny Tomponareo ilay Avo Tsitoha ? Namaly izy ireo ny hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala sy mahafantatra, Niteny Izy ka nanao hoe : Nanambara mazava tsara i Tompo Allah fa mizarazara ny Olona eo am-pilatsahan'ny Orana : Misy ny mino an'i Tompo Allah ary ny sasany kosa tsy mino ka mikomy an'i Tompo Allah. Ka izay miteny hoe : Nahazo Orana izahay nohon'ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindrampony, ary napetrany ho an'i Tompo Allah irery ihany ny fahefana fandatsahana an'izany Orana izany; Dia izany tokoa no tena mino an'i Tompo Allah ilay Mpahary ary mandrindra ny fizotran'izao tontolo izao, ary tsy mino ny tonon'andro. Fa izay Niteny ny hoe : Nanorana ny Andro noho ny kintana izao sy izao; izany dia Mpikomy an'i Tompo Allah, ary mino ny tonon'andro, ka izany dia fikomina kely Satria nolazainy fa nohon'ireo kintana no nahalatsaka ny Orana; ary i Tompo Allah tsy nametraka izany ho antony lalàna sy lahatra. Fa izay mametraka ny filatsahan'ny Orana noho ny tranga miseho eto an-tany sy ny fietsefan'ny planeta amin'ny fiakarany sy ny fihidinany ka mino izy fa izany no manodina azy, ireny dia Mpikomy ary nanao fikomiana lehibe.
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.D), Niteny : Nisy andian'Olona tamin'ny mpanaradia an'ny Mpaminany (S.W.A) tonga nanontany Azy ka nanao hoe : izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana ".
MuslimTonga andiana vahoaka tamin'ireo Mpiaradian'ny Mpaminany (S.W.A) nanontany Azy momba ireo zavatra mavesatra izay tsapan'izy ireo amin'ny Tenany ka sarotra amin'izy ireo ny hanonona izany noho ny haratsiany. Niteny i Mpaminany (S.W.A) : izany zavatra mahazo Anareo izany dia fahamarinan'ny finoana ary fahatokisana feno izay manosika Anareo hanakana ny fanjakazakana ataon'ny Satana ao am-ponareo, ary ny tsy fankasitrahanareo ny teny ka nitazominareo tao Aminareo, Izany dia mifanohitra amin'ireo Olona izay efa nanjakazakan'ny Satana ka tsy hahitàna zavatra ahafan'izy ireo manakana izany intsony.
Tatitra azo avy amin'i Ibn ABBAS (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nisy Lehilahy iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny manao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !! Ny iray Aminay mahatsapa zavatra am-pony, dia alehony lavitra ho tratran'ny gripa toy izay hiteny izany, hoy i Mpaminany (S.W.A) : " Allah Akbar, Allah Akbar, Lehibe tokoa i Tompo Allah, Lehibe tokoa i Tompo Allah fisaorana ho an'i Tompo Allah izay namerina ny teti-dratsiny any amin'ny faka-panahy ".
Abu DawoodNisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ! Ny iray Aminay mahatsapa zavatra ao amin'ny Tenany izay manahirana azy, Saingy ny firesahana izany dia mavesatra Aminy, ka aleony lavitra ny harary toy izay hamoaka izany resaka izany. Ka namerina in-droa ny halebeazan'i Tompo Allah i Mpaminany (S.W.A) ary nisaotra azy tamin'ny famerenany ny teti-dratsin'ny Satana any amin'ny faka-panahy fotsiny.
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (RA), Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) manao hoe : “ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Miteny manao hoe : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Koa rehefa tonga amin'izany izy, dia aoka hitady fiarovana amin’i Tompo Allah Ianao ary hitsahatra avy hatrany ".
Al-Bukhari and MuslimMampahafantantra momba ny fitsaboana mahomby amin'ireo fanontaniana betsaka izay bitsibihin'i Satana amin'ny Mpino i Mpaminany (S.W.A). Dia hilaza i Satana : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Iza no Namorona ny Lanitra ? Iza no Namorona ny Tany ? Dia hamaly Azy ny Mpino amin'ny valiny ara-mpinoana sy ara-natiora ary ny ara-tsaina amin'ny Teniny hoe : Allah, Saingy tsy mijanona eo amin’io fetra io anefa i Satana, fa mandroso hatrany mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Fa rehefa tonga amin'izany dia manosika ilay bitsibitsika amin'ny zavatra telo ny Mpino Islamo : Amin'ny finoana an'i Tompo Allah. Ary fangatahana fiarovana amin'i Tompo Allah manoloana ireo Satana. Ary fitsaharana amin'ireo fanontaniana maro izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra ”, Fa ny Olona tsy Mpino kosa, dia vokisana ny asa soa nataony ho an’i Tompo Allah teto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any an-koatra, dia tsy manana asa soa homena Azy intsony rehefa tonga any Izy ”.
MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) ny fahasoavan'i Tompo Allah lehibe eo amin'ny Mpino sy ny fahamarinany amin'ireo tsy Mpino. Fa ny Mpino kosa dia tsy mihena ny tambin’ny asa soa izay nataony; Fa kosa, homena valisoa amin'izay nataony Izy eto an-tany noho ny fankatoavany, miaraka amin’izany valisoa hotehirizina ho Azy ihany koa any ankoatra. Ny valisoa manontolo dia mety hatokana ho Azy ihany koa any an-koatra. Fa ny tsy Mpino kosa, i Tompo Allah hamaly soa azy amin'ireo valisoa maro eto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any ankoatra, dia tsy hisy valisoa homena azy. Satria ny asa soa izay mahasoa amin'ny tontolo roa dia tsy maintsy asa soa ataon'ny Mpino.