





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe : “Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
Al-Bukhari and MuslimManazava ny ampahany amin'ireo zon'ny silamo amin'ny rahalahiny silamo i Mpaminany (saw). Ny voalohany amin'ireo zo ireo dia ny mamaly ny fiarahabana amin'izay miarahaba anao. Ny zo faharoa : Famangiana ny marary sy ny fitsidihana azy. Ny zo fahatelo : Manaraka ny faty avy ao an-tranony ka mankany amin’ny toeram-pivavahana avy eo dia mitohy mankany amin’ny fasana mandra-pandevenana azy. ny zo faha-efatra : Mamaly ny fanasana raha manasa anao amin'ny fampiakaram-bady sy ny hafa. Ny zo fahadimy : Fangataham-pitahina ho an'ny olona mievina, izany dia amin'ny alàlan'ny fitenenana hoe : "YARHAMOKALLAHO" raha avy nidera an'I Allah izy. Ary mamaly ilay mpievina hoe : "Yahdikommolaho Wa yosliho Baalakom", Izay midika hoe : Allah anie hitari-dàlana anao sy handamina ny sainao.
Tatitra azo avy amin'i JABIR (r.a), fa niteny i mpaminany (saw) ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ka nanao hoe : "Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa."
Al-BukhariNangataka famindram-po ho an'izay mora sy malala-tanana eo amin'ny fivarotana i Mpaminany (saw). Tsy manaikitra loatra amin'ny vidin'ny entana eo amin'ny mpividy ary maneho ny hatsaram-panahy. Tsotra sy malala-tanana rehefa mividy; ary tsy manambany sy mampihena ny sandan’ny entana Izy, Tsotra sy malefaka raha mitaky ny handoa ny trosany izy; tsy manery ny ory sy ny mahantra izy, fa mangataka aminy amim-pahalemem-panahy ary mamindra fo amin'ny mahantra.
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : “Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah, ka rehefa nihaona tamin’I Allah izy dia namela ny helony tokoa I Allah.
Al-Bukhari and MuslimMitantara amintsika i Mpaminany (saw) : Momba ny lehilahy iray izay miara-miasa amin'ny olona tamin'ny trosa, na nivarotra zavatra tamin'ny trosa. Ary hoy izy tamin'ny mpanampiny izay mpaka trosa tamin'ny olona: Raha tonga mitaky trosa ianao ka tsy manam-bola handoavana ny trosany noho ny tsy fahafahany, dia “mamelà azy”; na amin'ny fanemorana izany na tsy fanerena ny fitakiana, Na amin’ny alàlan’ny fanekena izay ananany, na dia ao anatin’ny tsy fahampiana aza, ary izany no faniriany sy fanantenany fa hamela ny helony sy hamafa ny helony I Allah. Rehefa maty izy, dia namela ny helony I Allah ary tsy nijery ny ratsy nataony.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Bakri (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty", Niteny aho hoe : Fa ahoana momba ilay novonoina? Namaly Izy manao hoe : "Satria izy niezaka mafy hamono ny rahalahiny".
Al-Bukhari and MuslimMampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa raha misy Islamo roa mampifanena ny sabany amin'ny alàlan'ny ady, ka samy mikasa izy roa ny handringana ny namany; dia ho any amin'ny Afobe ilay mpamono satria namono mivantana ny namany izy. Nanontany ireo mpiara-diany momba ilay novonoina ka nanao hoe : Ahoana no hidirany any amin’ny Afobe? Namaly i Mpaminany (S.W.A) hoe : Any amin'ny Afobe ihany koa Izy noho ny finiavany hamono ny namany, ary tsy nisy nahasakana azy tsy hamono afa-tsy ny fihazakazahan'ilay mpamono namono azy mialoha.
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khattab (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifototra amin'ny finiavana ny Asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny Olona iray. Koa na iza na iza nano fifindra-monina mankany amin'i Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy hovadiny, dia noho izany tokona no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina nataony”. Ary amin'ny fanambarana nataon'i Al-Bokhari : " Ny Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany".
Al-Bukhari and MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa rehetra manan-kery dia miainga amin'ny finiavana, ary izany lalàna izany dia mihatra amin'ny endrika ankapobeny amin'ny asa fanompoana rehetra sy ny fifampiraharahana misy eo amin'ny fiainana, ka na iza na iza ny mikasa ny hanao asa hahazoany tombony dia tsy hahazo izany tombontsoa izany izy afa-tsy amin'izay nirihiny, fa tsy hahazo valisoa, ary izay mikasa hanatona an’i Allah ilay avo Tsitoha amin’ny asany dia hahazo hatsarana sy valisoa avy amin’ny asany Izy, na dia asa tsotra mahazatra azy, toy ny fihinanana sy ny fisotroana. Avy eo, i Mpaminany (S.W.A) nanome Ohatra hanehoana ny fiantraikan’ny finiavana amin’ny asa, na dia asa mitovy atao amin'ny endrika ivelany aza, ka nanazava Izy fa na iza na iza nikasa ny hifindra monina ka nandao ny tanindrazany hitady izay hahafaly ny Tompony, ny fifindra-monina izay ataony dia ara-dalàna sy azo ekena ary hahazo valisoa amin’izany izy noho ny fahadiovam-po nisy teo aminy, ary na iza na iza nikasa ny fifindrany mba hahazo tombony amin’izao tontolo izao, toy ny vola na voninahitra, na varotra, na vady, dia tsy hahazo valisoa afa-tsy izay nokasainy ihany, ary tsy hanana anjara amin’ny valisoa na tombontsoa hafa intsony Izy.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) : Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.W.A) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.W.A ) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.
Al-BukhariNiangavy tamin'ny Mpaminany (S.W.A) ny iray tamin’ireo Mpanaradiany mba hitari-dàlana azy amin’ny zavatra mahasoa azy, ka nodidiany izy mba tsy ho tezitra, izany hoe : hialana amin’ny antony rehetra mety mahatonga izany hatezerana izany sy ireo zavatra mety mampahatezitra Azy, ary tokony mifehy tena mafy raha tena tezitra, ka tsy tokony manohy ny fahatezerany amin'ny famonoana na daroka, na ny fanozonana, na izay mitovy amin'izany. Naverimberin'ilay rangahy im-betsaka ny fangatahany, saingy tsy nanampy tamin'ny sosokevitra i Mpaminany (S.W.A) fa mbola ilay teny hoe : “Aza tezitra” ihany no nolazainy taminy hatrany.
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : " Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva ".
Ibn MaajahMamporisika atsika i Mpaminany (S.W.A) mba hiantehitra mandrakariva amin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fitadiavana ny zava-tsoa sy fanakanana ireo loza amin'ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny finoana, satria tsy misy manome, ary tsy misy manakana, tsy misy mampidi-doza, na manome tombontsoa afa-tsy Izy irery ihany, Voninahitra anie ho Azy. Ary tokony hanao ireo antony rehetra mahasoa sy manala ny ratsy misy isika rehetra miaraka amin'ny fitokisana tanteraka an'Allah, ka rehefa manao izany Isika dia omen'Allah ireo anjaram-pivelomana tahakan'ireo vorona izay mivoaka ny maraina noana, dia miverina ny amin’ny hariva kosa dia voky ny kibony. Ity fihetsiky ny vorona ity dia karazana fomba sy antony iray izay hiezahana mitady ny sakafo hohanina, tsy misy fiankinan-doha sy hakamoana.
Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA) Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.W.A), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".
Al-Bukhari and MuslimNy Mpaminany (saw), dia mitantara mahakasika ny Tompony fa raha misy mpanompo manao fahotana ka manao hoe: Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy Allah Tsitoha: Ny mpanompoko dia manota, ary izy fantany fa manana Tompo mamela heloka, ka dia manarona izany izy ka tsy mamafa izany, na manasazy azy, dia namela azy Aho. Ka niverina nanota ka manao hoe: Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy Allah Tsitoha: Ny mpanompoko dia manota, ary izy fantany fa manana Tompo mamela heloka, ka dia manarona izany izy ka tsy mamafa izany, na manasazy azy, dia namela n'y heloka ny mpanompoko Aho. Ka niverina nanota ka manao hoe: Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy Allah Tsitoha: Ny mpanompoko dia manota, ary izy fantany fa manana Tompo mamela heloka, ka dia manarona izany izy ka tsy mamafa izany, na manasazy azy, dia namela n'y heloka ny mpanompoko Aho. Avelako izy hanao izay tiany, raha mbola manao ota isaky ny miala amin'ny fahotana izy, manenina, ary manapa-kevitra ny tsy hanao izany intsony, fa ny tenany no mandresy azy ka latsaka amin'ny fahotana indray izao, dia manota izy ka mibebaka, dia havelako ny helony, fa ny fibebahana dia mandrava izay teo alohany.
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa, Ireo izay marina amin’ny fitsarany, sy amin'ny fianakaviany, ary ireo izay iadidiany».
MuslimMilaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa ireo izay mitsara ara-drariny sy am-pahamarinana eo amin'ny olombelona ambany fifehezany sy ny fitondrany ary ny fianakaviany, dia izy ireny no voalaza fa hipetraka amin’ny seza avo, ambony izay vita tamin’ny fahazavana, ho fanomezam-boninahitra azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty. Ireo lampihazo ireo dia eo an-kavanan’ilay Be famindrampo, ilay Avo Indrindra, ary ny tànan'Allah roa, dia ankavanana avokoa.