





























Hadeeth Cards
Da'wa cards that highlight great meanings from the noble prophetic hadiths in a simple style and attractive display that helps the Muslim to have a deeper understanding of his religion in an easy way
All
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Oumar (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy".
MuslimMilaza amintsika i Mpaminany (S.W.A), fa i Jibril dia namerimberina taminy sy nandidy azy mba hikarakara ny mpiara-monina aminy, izay akaiky ny tranony, na silamo na tsy mpino, havana na tsia, miaro ny zony ary tsy manisy ratsy azy, manao soa azy ary miharitra amin'izay ratsy ataony, ka nihevitra i Mpaminany (S.A.W) noho ny halebeazan'ny zon'ny mpifenolobodirindrina sy ny famerimberenana azy fa hidina aminy fanambarana amin'ny fanomezana harenany ho lovainy.
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Masoundi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”.
Ibn MaajahNohazavain'ny Mpaminany (S.W.A) ireo zavatra ny fanaovana azy dia fanomoan-tsampy; isan'izany : Voalohany : Al-Rokiat : ireo teny izay itadiavan'ny olona talohan'ny Islam fahasitranana izay mifono fanompoan-tsampy. Faharoa : Ody atao amin’ny vakana sy ny toy izany : izay afatotra amin’ny ankizy sy ny biby ary ny hafa mba hialana amin’ny ratsy. Fahatelo: Tioala : Ody fitia izay atao mba hampifankatia ny mpivady roa. Ireo zavatra ireo dia fanompoan-tsampy; Satria izy no antony nanaovana zavatra iray, nefa izy di tsy antony mazava tsara arahna porofo, no sady tsy antony mivaingana azo tsapahin-tànana amin'ny traikefa. Fa ny amin’ny antony ara-dalàna, toy ny famakiana ny boky masina Koroany na ny antony ara-batana, toy ny fanafody voaporofon’ny traikefa, dia azo atao amin’ny finoana fa izy tokoa no antony, ary ny soa sy ny ratsy dia eo am-pelatànan'Allah.
Arakan'ny petra-bolana izay notaterin'ny Abo-Horairah (R.d), fa ilay Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah (S.W.A) Nilaza ka nanao hoe : "Tsy misy fanomezana mampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny mpanompo iray Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo aminy, ary tsy misy olona manetry tena eo anatrehan'Allah afa-tsy hanandratra azy Tompo Allah."
MuslimNy Mpaminany (saw), dia manazava fa ny fanomezana dia tsy mampihena ny harena, fa manafoana ny ratsy, ary Tompo Allah dia manonitra ny manome azy amin'ny hatsaram-panahy lehibe, ka izany dia fitomboana fa tsy fampihenana. Ny famelan-keloka, miaraka amin'ny fahafahana mamaly faty na mitazona azy ho tompon'andraikitra, dia mampitombo hery sy fahamendrehana fotsiny. Tsy misy olona manetry tena ka manolotra ny tenany ho an’Allah fa tsy noho ny tahotra olona, na noho ny fangorahana azy, na noho ny fitadiavana fahasoavana avy aminy, afa-tsy hoe ny fisandratana sy ny haja no valisoany.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny". tsara indrindra amin'ny vadiny."
At-TirmidhiMilaza i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona manampinoana feno indrindra dia izay manana toetra tsara indrindra, ary izany dia tazana amin'ny endrika madio, miezaka manao asa tsara, miteny tsara ary mihataka ny ratsy. Ny tsara indrindra amin’ireo mpino dia izay mendrika manoloana ireo vehivavy, toy ny vadiny, ny zanany vavy, ny anabaviny ary ny havany vehivavy. Satria izy ireo no tena mendrika hanehoana ny hatsarampanahy.
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Fifaliana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”
MuslimMilaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa izao tontolo izao sy izay rehetra ao anatiny dia zavatra ankafizin'ny olona mandritra ny fotoana fohy iainany avy eo dia miala, fa ny tena mahafinaritra indrindra dia ny fahazoanao vady hendry, izay rehefa jerenao izy dia mahafaly anao, ary raha nodidinao dia mankatò, ary raha tsy eo ianao, dia miaro anao sy ny fanànanao izy.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ary hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”.
Al-Bukhari and MuslimMampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa tompo Allah niteny hoe : Ry zanak'i Adama, mamoaha - amin'ireo fandaniana tsy maintsy ilaina sy ny fandaniana an-tsitrapo ianao - dia hamaly anao Aho ary mbola averiko aminao izay navoakao no sady fenoiko fahasoavana lehibe".
Tatitra azo avy amin'i Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana".
Al-Bukhari and MuslimManazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fepetra voalohany takina ny fanatanterahana azy dia ilay maha-ara-dalàna ny fakana fafinaretana ara-nofo amin'ny vehivavy, ary izany dia fepetra azo ekena izay angatahan'ny vehivavy eo amin'ny fifanekena amin'ny fanambadiana.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Zoubair niteny manao hoe : Matetika i Ibn Zobair rehefa mamarana Swalat ataony miteny hoe : " Là ilàha illal-loàhou wahdahòu Là Sharìka-laho lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìr, là hawla walà qowwata illà billàhy, Là ilàha illal-làhou walà na'bodou illà iyyàhou, lahon-ni'mat wa lahol-fahdlou wa laht-thanàol-hasan, Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna walao karihal-kàfiròna " ary miteny koa izy hoe : " irak'Allah (S.W.A) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat ".
Muslimi Mpaminany (S.W.A) dia mamerimberina io tonombavaka io aorian'ny famaranany ireo Swalat obligatoire, ary ny dikany dia : " Là ilàha illàl-làho " : izay midika hoe : Tsy misy Tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany. "Wahdahou La charika lahou" : Tsy misy mpikambana Aminy amin'ny maha Zanahary Azy sy ny maha Mpiahy Azy na eo amin'ireo Anarany sy ny Lazany izany. " Lahoul-moulk = Azy avokoa ny fanjakàna " izany hoe : Azy ny fanjakàna rehetra amin'ny endrika feno izay midadasika manenika ny lanitra sy ny tany ary manelanelana azy roa. " wa lahol-hamdou " izany hoe : Izy no manana lazan'ny fahafenoana tsy mana-petra, deraina amin’ny fahatanterahana noho ny fitiavana sy ny fanajana amin’ny toe-javatra rehetra, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. " wa howa an'là kolly Shayin-qadìr " : Feno dia feno ny heriny amin’ny lafiny rehetra. Ary tsy misy ny tsy vitany, ary tsy misy ny tsy hainy. "Là hawla walà qowwata illà billàhy" izany hoe : Tsy misy fiovana avy amin’ny toe-javatra iray ho amin’ny iray hafa, na amin’ny tsy fankatoavana an’Allah, ho amin’ny fikomiana Azy. Tsy misy hery afa-tsy amin’Allah, satria Izy no Mpanampy ary any aminy ny finoantsika. " Là ilàha illallahou walà na'bodo illà iyyàhou " : Fanamafisana ny dikan’ny maha-tompo Zanahary azy sy ny fandavana ny fanompoan-tsampy, ary tsy misy mendrika hivavahana afa-tsy Izy Allah. " Lahoun-ni'mat wa lahoul-fahdlou " : Izy no Nahary ny fahasoavana ary manana, ary Izy no misafidy izay tiany omena izany fahasoavana izany amin'ireo Mpanompony. "wa lahout-thanàol-hasan - Ary Azy ny fiderana tsara”: ho an’ny tenany, ny toetrany, ny asany, ny fahasoavany, ary amin’ny toe-javatra rehetra. "Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna" : izany hoe : Manokana azy amin'ny fanompoana, tsy misy fireharehana na laza tsara amin’ny fankatoavana an’Allah. " walao karihal-kàfiròna - Na dia halan’ny tsy mpino aza izany”, izany hoe : Miorim-paka amin’ny finoana an’Andriamanitra sy ny fanompoam-pivavahana Aminy, na dia mankahala azy ireo aza ny tsy mpino.
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat, Hoy ireo mpiara-diany : Na dia ady masina aza? Namaly izy hoe : Eny! Na dia ady masina aza! Afa tsy hoe : Olona iray nivoaka niaraka tamin’ny harenany sy ny vatatenany namonjy ady masina ka tsy niverina intsony".
Al-BukhariManazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa soa amin'ny folo Andro voalohany amin'ny volana Zhol-hijjat no tsara indrindra mihoatra ny asa soa atao amin'ny andro rehetra amin'ny taona iray. Ary nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) ireo Mpiara-diany mahakasika ny ady masina amin'ny fotoana hafa ankoatra ireo folo andro ireo, moave tsara sa ny asa soa atao amin'ny andro folo ireo? Nefa fantatra fa ny ady masina no asa mendrika indrindra amin'ny islam. Dia namaly i Mpaminany (S.W.A) hoe : Ny asa soa atao amin'ny folo andro voalohany ireo no asa tsara indrindra mihoatra ny ady masina amin'ny andro hafa, afa-tsy hoe lehilahy iray izay nivoaka nanao ady masina niaraka amin'ny tenany sy harenany amin'ny làlan'ny tompo Allah, ka tsy misy tafaverina ny harenany ary niala ny fofonainany amin'ny làlan'i Allah. Fa izay ihany no asa soa mendrika sy lehibe mihoatra ny asa soa atao amin'ity folo andro voalohany ity.